vehivavy 1 maty
Nirohotra niakatra tao amin’ny Biraon’ny Zandary Befandriana Avaratra ny andian’olona maro avy any Beromba, hitady olona namono nahafaty olona tany an-toerana izay efa lasan’ny Zandary tamin’ny herinandro teo. Niezaka nanaparitaka ireo vahoaka tamin'ny alalan'ny baomba mandatsa-dranomaso sy tifi-danitra ny mpitandro ny filaminana. Vehivavy iray no naratra mafy, voalaza fa voatifitra. Naratra mafy sy nentina namponjy hopitaly, saingy tsy tana ny ainy. Nanazava ny Ben'ny tanànan'i Befandriana fa tamin'ny sabotsy teo dia naharay vaovao marim-pototra ny zandary mikasika olona 3 lahy nanao ny asa ratsy. Nohadihadian'ny zandary, natolony Fitsarana ao Mandritsara satria tsy misy ao Befandriana Avaratra. Rehefa naheno an'io kosa ny olona tao Beromba dia nisy ireo nikasa hanao fitsaram-bahoaka. Voalaza mantsy fa efa mateti-piseho ny trangana vono olona, ary voaloto hatrany ny tanànan'i Beromba. Rehefa fantatra fa hisy andian'olona ho avy dia nisy fifampiresahana teo amin'ny « OMC Élargi » sy ny sojabe izay efa nialoha lalana niazo an'i Befandriana, ka nilaza ireo sojabe fa hisakana ireo tanora, raha toa ka manaiky ny Fanjakana fa hampigadra mandra-pahafaty ireo olon-dratsy. Iantohana ny saran-dalana sy dia rehetra an'ireo sojabe makany Mandritsara, mijery fa tena any am-ponja ireo, ary alaina sary ao am-ponja atao porofo amin'ny vahoaka any Beromba. Mbola nilamindamina teo, saingy tsy nanaiky niresaka tamin'ireo sojabe, rehefa nandrasana tao Andranomanintsy, fa nirohotra nakany amin'ny tobin'ny zandary tao Befandriana. Niaro ny tobiny ny zandary, ka io no niafarany. Andaniny, efa any amin’ny fonja Mandritsara ny olona nahavanon-doza kasain'ireo andian'olona hatao fitsaram-bahoaka.
VOARARAN’NY LALANA
Sanatria ny hoe miaro ireo olon-dratsy fa voararan'ny lalàna ny fitsaram-bahoaka eto Madagasikara satria manitsakitsaka mivantana ny foto-kevitry ny fiheverana ho mbola tsy meloka sy ny fahefan'ny Fitsarana ny Fitsaram-bahoaka. Araka ny Andininy faha-13 amin'ny Lalàmpanorena : "ny olona rehetra voampanga na ampangaina dia manan-jo ho heverina ho tsy manan-tsiny mandra-pisian’ny porofo ara-pitsarana fa meloka". Midika izany fa tsy azo heverina ho meloka na saziana ny olona iray raha tsy efa nisy didim-pitsarana nametraka mazava ny helony. Io andininy io ihany koa dia milaza fa "ny lalàna dia miantoka ho an'ny rehetra ny zo hahazo rariny eo anatrehan'ny Fitsarana", ary koa fa "tsy misy olona azo enjehina, samborina na tazonina raha tsy amin'ny tranga sy ny fomba voafaritry ny lalàna". Koa satria ny Fitsarana sy ireo manampahefana omen'ny lalàna fahefana ihany no afaka mitsara sy manasazy olona, dia mifanohitra amin'ny Lalàm-panorenana ny fitsaram-bahoaka satria ny vahoaka no misolo toerana ny Fitsarana amin'ny fanamelohana sy fanasaziana olona ahiahiana ho nanao heloka. Ankoatra izany, rehefa misy kapoka, fampijaliana, fandoroana fananana, na famonoana olona mandritra ny fitsaram-bahoaka dia tafiditra amin'ireo heloka voasazin'ny Fehezan-dalàna famaizana malagasy momba ny famonoana olona an-tsitrapo sy ny daroka ary ratra niniana natao izany. Noho izany dia tsy vitan'ny hoe manitsakitsaka ny zo fototra ananan'ny olona heverina ho tsy manan-tsiny ny fitsaram-bahoaka, fa mety hahatonga ihany koa ireo mandray anjara aminy ho tompon'andraikitra ara-pitsarana noho ny heloka vitany,… Na izany aza, misy tsy fahatokisan'ny vahoaka matoa miseho izao, ka mila jerena sy vahana.
Toky R