airtel

Actualités

08-mars-2023

Actualités

Fanararaotana ara-nofo mamoafady 10%-n’ny tovovavy 15-19 taona no lasibatra

Sample post image

Ny 10%-n’ireo zatovovavy 15 ka hatramin’ny 19 taona eto amintsika no fantatra fa lasibatry ny fanararaotana ara-nofo.

08-mars-2023

Ny 45% tamin’ireo tanora tovovavy miisa 1500 raha araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana iray no fantatra fa voan’izany noho ny fivoarana sy ny firoborobon’ny teknolojia. Saika milalao internet avokoa mantsy ny ankamaroan’izy ireo ka tsy vitsy ireo misy manararaotra noho ny filalaovana facebook….Tokony hohamafisina araka izany ny fanentanana eny anivon’ny Fokontany. Ho an’ny fikambanam-behivavy tsy miankina iray dia misy ny fiofanana omeny ireo mpanentana hahafahana miady amin’ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizivavy. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany moa dia ilay fivarotan-tena amin’ny internet no tena harato harotsak’ireo tsy mataho-tody hamandrihana ireo tanora tovovavy eto amintsika amin’izao ka tsy vitsy ihany koa ireo roboka noho ny tsy fananan’asa sy ny fahantrana lalina iainany. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy izao homarihina anio Alarobia moa ity hetsika ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap
20-mai-2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Card image cap
20-mai-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Card image cap
20-mai-2025

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

Card image cap
19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap