ara-bolan'ny orinasa JIRAMA, hoy indray ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ity orinasa Jiro sy rano malagasy ity omaly. Tanjona amin’izany ny hanarenana ny JIRAMA hahafahana manome tolotra tsara kokoa ho an’ny olompirenena malagasy, hoy ny voalaza. Maro ny tsaho miely mahakasika izany ary etoana no ampahafantarana antsika ny vaovao marina momba izany, indrindra, izay voalaza na tsia ao anatin'izany. Tanjona lehibe amin’ity drafitra ity ny hametrahana tobim-pamokarana azo avy amin'ny herin'ny masoandro 700 MW miaraka amin’ny bateria manerana an’i Madagasikara mba hampihenana ny fandaniana solika. Tafiditra ao anatin’io ihany koa ny fepetra hanesorana ny trosan’ny JIRAMA amin'ireo sehatra tsy miankina. Misy ihany koa ny fepetra anatiny izay mikendry ny hampiakarana ny fahombiazan’ny orinasa. Anisan'izany ny fampihenana ny fatiantoka amin'ny sehatry ny jiro sy ny rano, fampitomboana ny vola miditra, fanavaozana ny toby famokarana herinaratra sy ny tambazotra, fampihenana ny fanjifana solika, fampihenana ny isan'ny mpiasa amin'ny alàlan'ny fampandehanana misotro ronono. Hamafisina etoana fa mifanohitra amin'ny tsaho miely , tsy misy fikasana ny fanaovana "Privatisation" na fanovàna ho orinasa tsy miankina ny JIRAMA, fandroahana mpiasa, fanitsakitsahana ny zon'ny mpiasa. Maro ny ezaka atao hanana vondrona mpiara-miasa manolon-tena, tomponandraikitra, marina ary tia ny asany, hoy hatrany fanazavàna sy fampitam-baovao voaray. Maro ao anatin’izany ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao toy ny hoe efa aiza ho aiza izany izao ny fanefàna ilay trosabe 1400 miliara Ariary voaresaka ny faran’ny taona 2024 teo? Fanim-piriny tamin’ny fampanantenana fanarenana ny JIRAMA izao, tao anatin’izay 7 taona mahery izay saingy tsy mbola ny fitanisàna ny maha tranainy ireo fotodrafitrasa ihany ve no matetika heno am-bavan’ireo tomponandraikitra, hatramin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina? Inona marina no dikan’ilay filazàna fa orinasa mahaleotena na «anonyme» ity hany sisa heverina fa orinasa an’ny fanjakàna malagasy ity? Hiandry firy taona izany vao ho vita izay fanarenana ara-bola izay raha hahomby koa ity drafitra ity, fa indrindra, rahoviana ihany vao tena hifarana ny fijalian’ny malagasy amin’ny resaka rano sy herinaratra? Voky fampanantenana poakaty hatreto ny mpanjifa!
J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"