firenena izany izao no tokony ho laharam-pahamehana indrindra eto amin’ity Madagasikara ity. Ny fanazavana rehetra mikasika ny raharaham-pirenena malagasy, indrindra, taorian’ny nivoahan’ny tombana fa farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao isika, dia saika manasongadina izay maha zava-dehibe ny fanarenana ny toekarena sy sosialim-bahoaka izay avokoa. Ho hita eo ny apoakan’ny governemanta 2025, izay efa namarana ny taona 2024 teo ihany moa, mikasika ny olana be ao amin’ny JIRAMA miaraka amin’ilay trosany efa hatrany amin’ny 1400 miliara Ariary, raha ny voalaza farany. Eo koa ny olan’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar, izay mampanahy be ihany koa amin’izao fotoana izao ny ampitsony na dia efa novaina ho Madagascar Airlines aza. Eo ny mikasika ny fifanarahana momba ny solika, ny fifehezana ny vidim-piainana, ny fandaminana ny fandriampahalemana sy ireo asa marobe miandry izany governemanta izany. Ankoatran’izay koa anefa ny mikasika ny famahana ireo olana momba ny fanatanjahantena, ny tontolo iainana izay mifamatotra amin’ny harem-pirenena, ny resaka kolontsaina sy hafa.
J. Mirija
(Sary fanehoana)
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny