airtel

Actualités

05-mars-2026

Fanarenana sy fanatsarana

ny rafitra herinaratra

Sample post image

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

05-mars-2026

Tontosa omaly, 04 Martsa 2026, teny amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny fifanaovan-tsonia lehibe ho fanatsaràna ny tambajotra herinaratra eto Madagasikara. Nifampiraharaha sy nanao sonia ny fifanarahana ny Governemanta Japoney, tamin’ny alalan’ny JICA, sy ny Governemanta Malagasy izay notarihin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé. Nanolotra fanampiana 2 536 tapitrisa Yens, na manodidina ny 68 miliara Ariary tsy averina ny Japoney, izay hafantoka amin’ny fanavaozana ny tobi-jiro sy ny tambajotra mizara herinaratra, indrindra ho fanarenana ny tanàna voa mafy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Ankoranafo ary ny Jirama no hiandraikitra ny fanatanterahana mivantana ny asa. Araka ny fanazavan’ny JICA, ny tanjona dia ny hanamafy sy hanavao ny fotodrafitrasa elektrika ao Toamasina, renivohitra ara-toekarena, izay mitaky famatsiana herinaratra matanjaka sy azo antoka ho setrin’ny fitomboan’ny filàn’ny mponina sy ny sehatra ara-tsakafo, ara-barotra ary indostrialy. Ny tetikasa dia hifantoka amin’ny fanarenana sy fanavaozana ny toby famokarana sy ny tambajotra fizarana, miaraka amin’ny fametrahana fitaovana maoderina hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra sy hanamafisana ny faharetan’ny rafitra. Mandritra ny roa taona no hanatanterahana azy, ary antenaina fa hitondra fiovana maharitra ho an’ny mpanjifa sy hanohana ny fanitarana ny Seranan-tsambon’i Toamasina, izay iantsorohan’ny Japoney. Io fifanaovan-tsonia io no dingana lehibe iray amin’ny fanatsaràna ny rafitra elektrika eto Madagasikara, ary manamarika ny fiaraha-miasa lalina eo amin’ny Japoney sy ny Malagasy ho fanohanana ny fanarenana sy ny fampandrosoana ara-toekarena, hoy ny tatitra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap