airtel

Actualités

22-janv-2026

FANAVAOZANA SY FAMPANDROSOANA

Hanome hery ny toekarena

Sample post image

ny fikarohana sy ny fahaiza-manao malagasy

22-janv-2026

Vita sonia omaly 21 janoary 2026 teny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo teo anatrehan’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Atoa Rajaonarivelo Herintsalama ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisitera miisa dimy ho fanomezana lanja ny voka-pikarohana, ny talenta sy fahaiza-manao Malagasy. Niara-nanao sonia izany ny : Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RASOARAHONA Andriniaina, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-Kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ANDRIAMAMPIADANA Mahefa, n ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RASATARIMANANA José Nirina ary ny Minisitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga, CHAN KIT WAYE Jaco. Ao anatin’izao fifanarahana izao no hametrahana ny UNIPOD, ivon-toerana nasionaly voalohany eto amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ho fanohanana ny fandraharahana avy amin’ny fikarohana ara-tsiansa mba ho vahaolana azo ampiharina ho an’ny daholobe. Ity no sehatra hampifandraisana ireo : ivon-toeram-pikarohana, oniversite, indostria, sehatra tsy miankina ary ireo Minisitera isan-tsokajiny. Tanjona ny hamadika ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fampianarana ambony ary ny haivao ho fitaovana mivantana hamoronana asa mba hanana fahaleovan-tena ara-toekarena.
Nangoni'i RTT
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap