airtel

Actualités

25-sept-2025

FANDIDIANA FO ETSY AMIN'NY HOMI

7 ireo miatrika ny andiany faha-5, 10

Sample post image

volana no zandriny indrindra

25-sept-2025

Miditra amin'ny andro fahaefatra anio Alakamisy 25 Septambra ilay hetsika fandidiana fo misokatra andiany faha-5 tanterahina etsy amin'ny Hopitalin'ny miaramila etsy Soavinandriana. Nanomboka ny Alatsinainy 22 Septambra teo ka hatramin'ny rahampitso Zoma 27 Septambra ny hetsika. Raha araka ny fantatra dia miisa fito ireo zaza misitraka ity fandidiana ity ka ny dimy amin'izy ireo no hiatrika fandidiana fo misokatra raha fandidiana fo mihidy kosa ny roa ambony. Ny dimy amin'izy ireo ihany koa no efa vita fandidiana soa amantsara sady efa manaraka fitsaboana mandra-pahasitrany tanteraka. 25 taona no zokiny indrindra amin'izy ireo raha 10 volana no zandriny indrindra. Mampiavaka ity andiany fahadimy ity moa ny fisian'ny fandidiana ny "valve mitrale" izay notanterahina omaly Alakamisy 25 Septambra. Tontosa araka ny nokasain'ireo mpitsabo mpandidy io hoy ny loharanom-baovao azo.
Pati
Légende : Miasa mafy tahaka izao ireo dokotera mpandidy !
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap