airtel

Actualités

19-mars-2026

Fandrafetana ny vaomieram-pifidianana

Namory firaisamonim-pirenena

Sample post image

ny CENI na eo aza ireo nilaza fa tsy ilaina intsony

19-mars-2026

Niantso fihaonana savaranon'ando tamin’ireo firaisamonim-pirenena ny Filohan’ny CENI Atoa Thierry RAKOTONARIVO niakaraka tamin’ireo mpikambana teo aloha mirahalahy voafidy avy amin'ny Fiarahamonim-pirenena tamin'ny taona 2021 omaly 18 martsa 2026. Nambara fa nentina indrindra nitondrana fanazavana momba ny pitsopitsony tokony harahina mahakasika ny zotra-pifidianana hataon'ireo fikambanana na vondrom-pikambanana misehatra amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana io. Notsiahivina ny andininy faha 14 , 15 ary 16 ao amin'ny didi-panjakana laharana 2021-867 tamin'ny 01 septambra 2021 momba ny fomba fanendrena sy fifidianana ireo mpikambana ao amin'ny CENI moa izany . Tapaka ary fa : Manana hatramin'ny rahampitso 19 martsa 2026 amin'ny 12 ora atoandro ireo fiarahamonim-pirenena mba hitondrana ny porofo fa tena nanara-maso fifidianana tokoa izy ireo hoan'izay mila manao izany. Hatao anio alakamisy 19 martsa amin'ny 2ora sy 30mn kosa ny fivorian'ireo fiarahamonim-pirenena ireo mba handrafetan'izy ireo ny mpikambana ao anaty komity mpanomana na "comité ad hoc". Ny alatsinainy 23 martsa 2026 amin'ny 9 ora maraina kosa dia efa hivory ny komity mpanomana ny fifidianana na ny "comité ad’hoc". Tsara ny mampatsiahy, fa nisy ireo firaisamonim-pirenena nanao fanambarana ny talata teo fa "tsy ilaina ary tsy laharam-pahamehana velively ny fanoloana ireo Mpikambana maharitra/Kaomisera mandrafitra ny Biraon’ny CENI. Ny fanafoanana ny Birao maharitra aza no tokony atao ka ireo Mpanatanteraka no mampihodina amin’ny farafahakeliny ny Rafitra mandra-pahatongan’ny Rafitra mpikarakara ny fifidianana avoakan’ny Fanavaozana". Nanao antso fanairana ireo firaisamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fifidianana, ny demokrasia ary ny haitondra mahomby miantefa amin'ny Fitondrana indrindra ny Filohan’ny fanavaozana sy ny Praiministra vaovao, fa tsy azo itokisana ary tsy afaka mitarika ny fanavaozana ny zotra sy ny lalàna ary ny rafi-pifidianana velively raha ny rafitra CENI amin’izao fotoana izao. Heverin'ny firaisamonim-pirenena fa fandaniam-poana ho an’ity Firenena efa sahirana ity ny fanoloana Mpikambana eo anivon’ny CENI izay tsy azo itokisana ary tsy misy asa ho ataony akory, raha io fanambarana afak’omaly io. Nisy ny marimaritra niraisana sa mizarazara ireo Firaisaminim-pirenena ka teraka indray ny mpomba sy tsy mpankasitraka ny CENI ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap