ireo manana fahasembanana, ny 8 martsa sy ny maro hafa. Nisy ny vahiny nasaina manokana nanatrika izany . Tampoka teo niditra avy any ny mpiambina manokan'ny loholona iray akaikin'ny fitondrana, voalazan'ireo nanatri-maso fa nitondra basy naka avy hatrany ny tompon'andraikitry ny minisitera iray any an-toerana .Nentina tany amina fiara dia norahonana , ka notenenina hoe ravao io fivoriana io fa tsy tokony miara-miasa amin'io olona nasainareo io ianareo. Tsy noravana moa ny fivoriana fa niala tao fotsiny, mba tsy hampihitatra ny raharaha ity olona ity. Maro ny olona tohina nahita ity zava-nitranga tany Fandriana ity ary nametra-panontaniana hoe: izao ve no fomba fiasa atao hahatanteraka ilay teny filamatra hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Hatramin'ny oviana no nampandroso ny fanavakavahana sy fanilihana ? Voaporofo indray tamin'ity indray mitoraka ity ny fanaparam-pahefana ataon'ireo olom-panjakana. Tsy mba misy fandinihana kely akory fa dia tanterahana mihitsy izany ilay hoe : izahay aloha izao no eto ka dia izay tianay ihany io. Ny mato an'isa amin'ny Malagasy anefa miha sahirana, miha sahirana hatrany.
Nangonin'i RTT