airtel

Actualités

16-févr-2024

FANDRIANA

Nanampatra fahefana indray ny olom-panjakana

Sample post image

Nivory tao Fandriana ny alatsinainy lasabteo ny fikambanan'ny zokiolona,

16-févr-2024

ireo manana fahasembanana, ny 8 martsa sy ny maro hafa. Nisy ny vahiny nasaina manokana nanatrika izany . Tampoka teo niditra avy any ny mpiambina manokan'ny loholona iray akaikin'ny fitondrana, voalazan'ireo nanatri-maso fa nitondra basy naka avy hatrany ny tompon'andraikitry ny minisitera iray any an-toerana .Nentina tany amina fiara dia norahonana , ka notenenina hoe ravao io fivoriana io fa tsy tokony miara-miasa amin'io olona nasainareo io ianareo. Tsy noravana moa ny fivoriana fa niala tao fotsiny, mba tsy hampihitatra ny raharaha ity olona ity. Maro ny olona tohina nahita ity zava-nitranga tany Fandriana ity ary nametra-panontaniana hoe: izao ve no fomba fiasa atao hahatanteraka ilay teny filamatra hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Hatramin'ny oviana no nampandroso ny fanavakavahana sy fanilihana ? Voaporofo indray tamin'ity indray mitoraka ity ny fanaparam-pahefana ataon'ireo olom-panjakana. Tsy mba misy fandinihana kely akory fa dia tanterahana mihitsy izany ilay hoe : izahay aloha izao no eto ka dia izay tianay ihany io. Ny mato an'isa amin'ny Malagasy anefa miha sahirana, miha sahirana hatrany.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap