Manao ranolava ny fanaratsiana ny mpitondra maro, famoronana vaovao mamoafady, tonga hatrany amin'ny fampitoviana ny Filoham-panjakana amin'ny amboa na alika. Nanameloka izany ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tarihin’ny Minisitra Gascar Fenosoa omaly raha nanao fanambarananiaraka tamin’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny Directeur par intérim de la cellule de la lutte contre la cybercriminalité Police Rarivomanantsoa Eddy. « Mifanohitra tanteraka amin'ny Kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy, mifanipaka tanteraka amin'ny soatoavin'ny fiarahamonina Malagasy, ny fanajana ny maha olona. Mendrika fanambaniana tsy azo ekena ny fanambaniana ny Malagasy iray amin'ny alika, indrindra fa filohana Repoblika. Fanambaniana tsy azo ekena, ary fady amin’ny Malagasy rehetra izany », hoy io Minisitra io. Marina, hoy izy, fa misy ny fisitrahana ny fahalalahana maneho hevitra fa tsy tokony hanohintohina ny fanajana sy zo sy fahalalahan'ny hafa, ka sokajiana ho fanompana. Noho izany, mandray fanapahan-kevitra ny Fanjakana ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ireo tompon'andraikitra samihafa,...
OLONA 2 NO EFA NIDOBOKA AM-PONJA
Misy ihany koa ny fampielezana vaovao tsy marina amin'ny pejy sy kaonty fako maro ataona andian’olona miafina, nandritra ny herinandro vitsivitsy, famoronana vaovao tsy marina mikasika mpitondra ambony sy minisitra maromaro, fambolena ady amin’ireo samy mpitondra ambony,… « Efa fantatra sy hita ireo andiana pejy sy andiana kaonty fako, izay hanakorontana sy hanongam-panjakana. Efa nandray fepetra hentitra ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, niaraka tamin’ny rantsana momba ny cybercriminalité, ny avy amin’ny zandarimaria,… Efa nisy olona 2 niakatra fampanoavana ny sabotsy teo, ka nidoboka am-ponja vonjimaika », hoy ny tatitra. Nambara fa mpamorona sy mpanaparitaka ireo kaonty fako ampiasaina hanakorontanana ny Firenena ireo, ary mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo mpanao azy ireny sy mpanarama. « Misy fampiasam-bola amin’io fanakorontanana io, izay efa misy fantatra, saingy mbola anatin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana », hoy hatrany ny Minisitry ny serasera. Mpanao politika no ao ambadika, ka tafiditra tao anatin’izany ny filazana fa nametra-pialana tsy ho mpitondra tenin’ny governemanta ity minisitra ity, izay nilaza fa lainga tanteraka izany. Tsy marina ihany koa, hoy ny tatitra, ny filazana fa nanao fanambarana diplaomatika fa manameloka an’i Etazonia na ny Israelianina amin’ny ady amin’i Iran ny fitondrana fanavaozana. Ny avy amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ihany sy ny fanapahan-kevitra ara-diplaomatika avy amin’ny Filoha na ny Fiadidian’ny Repoblika ihany no ofisialy. Loharanom-baovao maro no milaza fa miainga na ahiana ho miainga ao amin'ny Foiben-toeran’ny antoko lehibe iray teo amin’ny fitondrana teo aloha ireo kaonty fako maro. Tafiditra anatin’ny fanakorontanana voarindra sy voalamina mialoha ireny zavatra ireny, hoy hatrany ny Minisitry ny serasera. Isan’ny niparitaka tao anatin’ny roa andro moa izay ny fanelezana tsaho fa nandeha fiaramanidina nakany Dubai nitondra volamena ny mpanolotsaina ambonin’ny fanavaozana iray ary tavela any.
TOMPON’ANTOKA NY FITONDRANA TEO ALOHA…
Manaja ny zo fototry ny fahalalahana maneho hevitra, fa tsy azo ekena ny fanivahivana sy fanambaniana, tonga hatrany amin’ny fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena na « atteinte à la sureté intérieur de l’Etat », hoy hatrany i Gascar Fenosoa izay nilaza fa isan’ny tompon’antoka amin’izao ny fitondrana izay nazeran’ny vahoaka. Anisan’ny raharaha nanenjehana an-dry Augustin Andriamananoro izay lasa nitsoaka any ivelany ny fampiantranoana kaonty fako sy ao ambadik’ireny, saingy iny izy tafaporitsaka iny. Fikasana hanakorontana tamin’ny alalan’ny fanapariahana vola ihany koa no vesatra nampidirana am-ponja an-dry Sahondrarimalala Marie Michel,… Raha ny loharanom-baovao hafa moa, dia misy milaza fa miainga na ahiana ho miainga avy amin’ny Foiben-toeran’ny antoko lehibe iray teo aloha ireo fanaratsiana sy fanakorontanana samihafa. Tsy ho araky ny « agents de renseignements » ve izany ? Raha eny, maninona no tsy nisy fisavana na « perquisition » natao teny ?
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona