airtel

Actualités

27-mars-2026

Fanendrena ny Minisitra Herizo A. sy Fanirisoa E.

«Hery lehibe ho an’ny

Sample post image

sendikan’ny mpiasam-panjakana ! »

27-mars-2026

Isaorana ny Filoham-panjakana sy ny Praiminisitra nisafidy an’ireo mpikamban’ny governemanta satria tena manana solontena roa lehibe izahay sendikalista, dia ny Filohan’ny SSM (Solidarité Syndicale de Madagascar) Atoa Herizo Andrianavalona izay tena mpitolona sy mpitari-tolona teo anilanay foana, nitoto nahamasaka ny paikady rehetra nampahomby ny tolona teo aminay sendikan’ny mpiasam-panjakana rehetra», hoy Atoa Mohamed Razafiberison Sekretera Jeneralin’ny Sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja eto Madagaskara na ny SPAPM taorian’ny fanendrena ireo mpikamban’ny governemanta vaovao. Hiderana ny fitondram-panjakana, hoy izy, ny nisafidy azy fa tena mahasolo tena ny sendikan’ny mpiasam-panjakana satria izay no isan’ny notakiana hatramin’izay hoe aleo mba tena mpitolona no ho eo. Teo ihany koa ny fangatahana famerenana ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Fanirisoa Ernaivo, ka nihaino sy namaly ny antso natao taminy ny Filoha sy ny Praiminisitra. « Ho anay izay sendika ao anatin’ny Minisiteran’ny Fitsarana dia tsotra hoe : ambony indrindra ny tombotsoan’ny mpiasa ka ho an’ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja dia efa misy ny fifanarahana manokana na « protocole d’accord » nifanaovana sonia taminy, ary izy no heverinay fa hamaly sy hahavaha ireo fitakiana nataonay. Mpitolona ihany koa Ramatoa minisitra, ary raha nisy ny nitolona teo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana dia voalohany ny tenany sy izahay mpandraharahan’ny fonja, ka rariny izahay raha sarotiny aminy », hoy hatrany ity Mpitarika sendika ity. Araka ny toromarika niarahana tamin’ny namana sendika rehetra tamin’ireny dia hoe akatona ny fonja nanerana ny Nosy hisorohana ny fampidirana am-ponja ireo mpitolona sy mpitari-tolona amin’ny antony tsy ara-drariny, ka anisan’ny nampahomby ny tolona, hoy ny fampahatsiahivana nataony. Nambarany aza fa ny mpandraharahan’ny fonja sy ny Minisitra ankehitriny no tena nitolona raha tao anatin’io departemanta io satria ny mpitsara ohatra tsy hoe manenjika sanatria dia mbola nisy nandray fanapahan-kevitra hanagadra mpitolona. Izany no antony naha saro-piaro raha izy mpitolona no ahilika ka sanatriavina hoe olona tsy misy hidirany no natao teo, koa isaorana ny Filoha sy ny Praiminisitra nihaino sy namerina azy amin’ny toerany, hoy hatrany io mpitarika ny SPAPM io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap