airtel

Actualités

04-mars-2026

Fangatahana fitazonana tombotsoa

Notsipahan'ny HCC i Ndremanjary Jean André

Sample post image

Notsipahan'ny Fitsarana Avo momba ny

04-mars-2026

Lalàmpanorenana (HCC) ny fangatahan’Atoa Jean André Ndremanjary, filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana teo aloha mikasika azy sy ny kestora mikasika fangatahana fitazonana tombotsoa. Izy izay nangataka ny fitazonana ny tombontsoa mifandraika amin’ireo andraikitra ireo, ka niantso ny fitsipika momba ny fitohizan’ny Fanjakana sy ny Didim-pitsarana n°10-HCC/D3 tamin’ny 14 Oktobra 2025, nilaza fa ny fitantanana ny raharaha andavanandro dia manamarina ny fitazonana ireo tombontsoa. Tsara ny mampahatsiahy, fa izy izay filoha lefitra no napetraka ho Filohan’ny Antenimierandoholona vonjimaika, rehefa naongana tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard, noheverin’ny fitondrana teo aloha mba hanalefaka ny fitakiam-bahoaka, saingy tsy izay no niseho. Nampahatsiahy anefa ny HCC fa nifarana ny fe-potoam-piasan’ny Senatera sy ny Birao maharitra tamin’ny 18 Janoary 2026, ary tsy azo havaozina izany. Raha mbola afaka mandefa ny raharaha andavanandro ny filoha vonjimaika sy ny Kestora, dia tsy midika izany fa mbola mitohy ny fe-potoam-piasany na manome azy ireo ny sata maha-lohan’ny andrim-panjakana handefa fangatahana any amin’ny Fitsarana. Vokatr’izany fanazavana izany, nolavina ny fangatahan’i Jean André Ndremanjary amin'ny fisitrahana ireo tombotsoa aorian'ny tsy fitazonana ny andraikitra. Mijanona ho lamina anaty fampandehanan-draharaha sisa ny eo anivon'ny Antenimierandoholona, ka tsy afaka manao fangatahana eo anivon'ny HCC, ny Filoha lefitra Antenimierandoholona teo aloha Ndremanjary Jean André, raha nanontany ny HCC izy, raha mbola mandray karama sy ireo tombotsoa maha filoha lefitra, tokony handray ny toeran'ny Filoha Antenimierandoholona izay banga.

Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2026

raha tsy mifampiresaka»

Card image cap
23-avril-2026

1695 dia mandroso i Madagasikara»

Card image cap
23-avril-2026

Nisokatra tamim-pomba ofisialy

Card image cap
23-avril-2026

Notoloran'ny Ministera masomboly ny kaominina Ampitatafika

Card image cap
22-avril-2026

ENEAM fa mety hampidi-doza…

Card image cap