airtel

Actualités

10-mars-2026

Fanirisoa Ernaivo

Naverin'ny CSM ho mpitsara

Sample post image

Niverina amin’ny toerany maha-mpitsara

10-mars-2026

indray Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, izay Minisitry ny Fitsarana tao anatin’ny governemanta izay nitsahatra omaly. Io no fanapahan-kevitra vokatr’ilay didim-pitsarana navoakan’ny Conseil d’État, izay nampiantona ny “révocation” na fandroahana nataon’ny CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature) tamin’ny taona 2019. Raha tsiahivina, ny 31 Oktobra 2018 no nanapaka-kevitra ny Minisitry ny Fitsarana tamin’izany fotoana hanajanona azy amin’ny maha mpitsara. Taorian’izay, ny 07 Novambra 2019, dia nesorin’ny CSM tanteraka tamin’ny asany izy. Tao anatin'ny fotoana naha sesin-tany politika azy tany Frantsa no nilatsaka ireo didy nandroaka azy ho mpitsara. Narahina didy fampisamborana Iraisam-pirenena taorian'ireo vesatra nanenjehan'ny Fitondrana Rajoelina azy ho manakorontana ny filaminan'ny Firenena. Tsy nanaiky anefa Ramatoa Fanirisoa, ka nitondra ny raharaha teo anivon’ny Conseil d’État. Ny valin’izany no mamerina azy amin’ny toerany maha-mpitsara, amin’ny laharana “troisième grade, deuxième échelon” izay efa niakatra ho “première grade” tokony ho izy amin’izao fotoana. Voalaza fa tokony hisy fanonerana avy amin’ny CSM, izay miandraikitra ny fitantanana ny asan’ny mpitsara, manoloana ny fotoana sy ny toerana very tamin’ny fanesorana azy. Misy moa ny manasokajy fa ny raharaha dia manamarika dingana lehibe eo amin’ny tantaran’ny fitsarana eto Madagasikara, satria mampiseho fa mbola manana lanja sy fahefana ny Conseil d’État amin’ny fanitsiana sy fanarenana ny didim-panjakana manohintohina ny zon’ny mpitsara. Ara-politika, somary manitikitika kely sy tsetsatsetsa tsy aritra ihany hoe : fifandrifian-javatra ihany ve ny fipariahan’ity fanapahan-kevitra namerina an-dRtoa Fanirisoa Ernaivo ity ho mpitsara nialohan’ny fampiatoana ny governemanta ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap