antsokosoko dingadingana na « cocombre de mer » tany amin'ny fari-dranomasiny. Sambo MJ-F22.012 mitondra ny anarana "METRO DU NORD" no nisy nanofa tao Analalava ny 17 janoary, tsy natao hampiasaina amin'ny jono saingy tsy hita nanjavonana avy eo no voalaza fa nampiasain'izy ireo. Ny 30 Janoary 2025 no nampahafantatra ny manam-pahefana tao amin'ny Nosy Seychelles fa misy Sambo malagasy tratra nanjono Dingadingana tsy ara-dalana ao amin'ny Fari-dranomasiny. Mpanjono Malagasy miisa 12 avy ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Maromandia sy Ambolobozo, Distrikan'Analalava ireto tratra, raha ny fanamarihana. Misy ny fanadihadihana lalina izay atao ary manao ny fomba rehetra hampodiana ireo Malagasy eto Madagasikara ny Fitondram-panjakana sy ry zareo any Seychelles, raha ny tatitra. Henjana sy hentitra ny olona amin’ny fiarovany ny harena an-dranomasina any aminy fa mba tahaka izany ve ny fiarovana ny antsika sa ny hafa no manjakazaka aminy ?
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny