niazo an’Andaboy ireo vahoaka tsy mankasitraka ny tetikasa Base Toliara omaly. Ambaran’ireo mponina fa mamotika tontolo iainana, manimba ny asa fivelomany, ary mahakasika ny tanànany hatramin’ny fasana moa ny tetikasa,… Niditra an-tsehatra ny « force de l’ordre » nanao sakana sy fandravana, ka niradradraka ny daroka baomba mandatsa-dranomaso, nafana ny rotaka,... Ny tapaky ny febroary no efa nosokanan’ireo andiana vahoaka teo Andaboy ny fiara miisa 9 an’ny Base Toliara rehefa andeha hizara vary. « Izahay tsy mila Base Toliara hijoro amin’ny tanànanay Andaboy, ka na tianareo na tsy tianareo tsy maintsy ho faty izahay. Izahay zana-driaka, tsy mila ny Base Toliara, eto ny fameloman-tenananay, izahay tsy mila asa avy amin’ny Base Toliara, izahay tsy mila asa amin’ny Fanjakana,… », hoy ireo tamin’izany. Efa nisy fampitandremana tamin’izany fa raha misy iray na roa voasambotra eo, dia potika i Toliara iray manontolo. Nafana ny hetsika omaly nanehoana, fa tsy manaiky ny tery vay manta na « forcing » ataon’ny Fanjakana. Iray volana lasa moa izay no nanamafy sy nampahatsiahy i Théo Rakotovao isan’ireo nafana fo hatramin’izay mikasika ny tsy fankasitrahana ity tetikasa ambaran’izy ireo fa fositra ity fa, « Andry Rajoelina filohan'ny Tetezamita no nanaiky ny Base Tulear ny 2012 izay Tulear Sands no anarany tamin'izany. Andry Rajoelina no nitsipaka ny Base Toliara ny 2014 rehefa nitondra ny fitondrana HVM. Andry Rajoelina no nanaiky ny Base Toliara ny 2020. Ireo olona nanohitra ny Tulear sands indray no lasa nanaiky rehefa niova base Toliara. Tsy te hiasa saina ny mpitondra ka manao izay hahazoana vola amin'ny fomba mora, omena « autorisation » ny vahiny dia mitobaka ny vola, ny vahiny avy eo manao ny ataony, manapaka izay tiany ho tapahana ». Raha hiverenana, mitentina 5 milliara dolara ny vola ambaran’ny Fanjakana ankehitriny tamin’ny alalan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Rakotomalala Olivier tany amin’ny novambra 2024, fa ho azo avy amin'ny fitrandrahana ataon'ny orinasa base Toliara mandritra ny fe-potoam-piasany. 80 tapitrisa dolara kosa ny vola hatokan'izy ireo hanaovana tetikasa goavana amin'ny faritra sy ny firenena. Tsy nahalamina ny toe-draharaha hatreto ny fampitoniana amin’ny asa sosialy sy fizarana zavatra. Eo ihany koa ny mety fisiana endrika fifandonana politika. Ara-jeopolitika, tsiahivina fa ny orinasa Amerikanina Energy Fuels no nividy indray ity tetikasa ity. Isan’ny nampihenjana ny fifandraisan’i Afrika Atsimo sy Etazonia ka nandroahan’ny Amerikanina ny masoivoho Afrikanina tatsimo ny ambara fa fakana tanim-bahoaka sy tsindry atao amin’ny vitsy an’isa ao Afrika Atsimo ka asa ny mba fijerin-dry zareo manoloana ity fifanolanana ao Toliara ity ?
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny