Mijanona ho fitakiana sendikaly ny fitakiana ataon’ny Sendikàn’ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo renivohitra na SMKAR, hoy ny fanazavàna nentin’ny filoha mpisolo toerana eo anivon’izany sendikàn’izany ny faran’ny herinandro teo, Jean François Raharijaona, nandritry ny fivoriamben’izy ireo tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Nomarihiny fa tsy vao izao no nitaky ny SMKAR fa tsy hoe manararaotra ny toe-draharaha. Mila hay, hoy ny sendikà, ny mametra ny fitakiana mba tsy hivadihan’izany ho fitakiana politika. Tsy nisy mpiasa nosakanana nandeha teo amin’ny 13 may nandritry ny hetsika notarihin’ny Gen Z ary tsy nisy mpiasa nampirisihina ho eny koa fa ny nankeny tamin’ny anaran’ny sendikà no tsy natao ho fanajàna ny safidin’ny mpiasa tsirairay. Mitaky ny sendika manomboka amin’ny fisitrahana ny zon’ny mpiasa dia ny hoe mpiasa tsy raikitra na ECD ho lasa mpiasa raikitra ka hatramin’ny hoe hisitraka fisotroan-dronono araka ny tokony ho izy ny efa tokony hisitraka izany. Ny olom-boafidy izay manana fahefàna be lavitra noho ny Filohan’ny delegasionina manokan’Antananarivo na PDS aza, tsy idiran’ny sendikà ny hoe hala-bato ve sa tsia, sahirana sy mivoaka sempotra hamahana ny olan’Antananarivo, mainka fa hoe PDS no andeha ho hirahirain’ny sasany ho apetraka eo. Mihena avy hatrany ny fahefàn’izany. Izany no mahatonga ny sendika manome anjara na «chance» ho an’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny. Ravao ny STAFF na ny sampana misahana ny tekinika sy fitantanana ny tanàna fa tena mihitsoka ny fampandehanan-draharaha eto Antananarivo renivohitra. Tsy afa-po amin’ireo ny mpiasa satria iainan’ny mpiasa izany tsy fahombiazan’izy ireo izany. Raha afa-po nefa ny ben’ny tanàna dia afaka mitazona an’ireo izy saingy hifankahita amin’ny sendika amin’ity herinandro ity. Hatreto dia mbola tonga ara-potoana aloha ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina ka ahiana ny hoe raha sanatria hiova PDS no ho eo dia na ilay an-tanana kely indray aza no ho votsitra satria iaraha-mahalala ny toe-bolan’ny kaominina. Ny mpiasan’ny kaominina aloha no mila voakarakara araka ny tokony ho izy mba hahafahany mikarakara araka ny tokony ho izy ny mponin’Antananarivo ihany koa. Izany no tsy haneken’ny SMKAR ny hanoloana ho PDS ny ben’ny tanàna, hoy hatrany ity sendika ity. Nanome 48 ora ny ben’ny tanàna moa ny SMKAR mba handravàny izay STAFF izay.
Nangonin’i J. Mirija
Mitady hivadika fitsaram-bahoaka
Mazava tsara ny resaky ny minisitry ny