airtel

Actualités

07-mai-2025

Feno 15 taona ny MVola

Nosokajiana ho banky nomerika matihanina voalohany…

Sample post image

Manamarika ny faha-15 taonany tamin’ity taona ity ny MVola,

07-mai-2025

orinasa mpisahana ny vola nomerika, izay nanomboka tamin’ny tanjona tsotra: ny hanokatra fidirana ho an’ny Malagasy rehetra amin’ny tolotra ara-bola. “Niaraka tamin’ny Malagasy i MVola tao anatin’ny 15 taona. Tsy ho tratra izany raha tsy noho ny fitokisan’ny rehetra sy ny fandraisan’anjaran’ireo mizara ny vina iombonana. Mino izahay fa zo fototra ny fidirana amin’ny tolotra ara-bola. Ary miaraka isika no hanohy hanorina ho avy rariny kokoa, mirindra kokoa ary feno firaisankina ho an’ny firenentsika.”, hoy i Louis-Olivier Favot, Tale Jeneralin’ny MVola. Niorina tamin’ny taona2010 moa ny MVola, nitombo sy niova niaraka tamin’ny filàn’ny mponina, ka lasa banky nomerika voalohany eto amin’ny Nosy. Amin’izao fotoana izao, mihoatra ny 15 tapitrisa ny kaonty efa nosokafana, ka tohanana amin’ny alalan’ny tambajotra Cash Points mihoatra ny 50 000 sy mpivarotra mpiara-miombon’antoka maherin’ny 10 000 manerana ny faritra rehetra, hoy ny mpitantana. Ahafagana mandefa vola, mandoa fividianana, mandray karama ary mitantana fandaniana ny Mvola. Misy koa ny MVola Avance, crédit finday 100% nomerika, izay efa nahafahana nanome fanampiana maika ho an’ny olona mihoatra ny 3,5 tapitrisa, sy 32 tapitrisa mahery ny totalin’ny crédit efa natolotra. Amin’ny sehatry ny tahiry indray, efa kaonty mihoatra ny 1,1 tapitrisa no nosokafana. Voamariky ny GSMA Mobile Money Certification ihany koa ny kalitao sy fiarovana amin’ireo tolotra ara-bola natolotry ny MVola. Tamin’ny alalan’ny programa « cash transfer », olona mihoatra ny 200 000 no nahazo fanohanana mivantana tamin’ny taona 2024, indrindra ireo marefo taorian’ny krizy na ao anatin’ireo tetikasa sosialy. Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ara-bola, nanatontosa fanentanana maro manerana an’i Madagasikara, hampianatra ny tanora ny fitantanana vola sy ny fitahirizana, mba hanampiana azy ireo hanorina ho avy ara-bola marin-toerana. Amin’ny alalan’ny programa M’Hetsika, MVola dia efa nanangana kianja « multisport » mihoatra ny 17 manerana ny faritra ahafahan’ny tanora mivory, milalao, sy mifanerasera ao anatin’ny tontolo azo antoka sy misokatra. Nahazo ny fanamarinana B Corp i MVola, porofo fa manam-pikasana hiteraka fiantraikany tsara ho an’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana ny orinasa, hoy hatrany ny fanazavana. Nomena ny Top Employer 2024–2025 koa i MVola, noho ny ezaka ataony amin’ny fikarakarana ny mpiasa sy ny maha-olona, hoy hatrany ny tatitra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady

Card image cap
13-mai-2025

Andao harenina ity fitsarana ity. Sahia miteny isan’andro amin’ny havanareo: fahotana ny kolikoly .

Card image cap
13-mai-2025

Taorian’ny KFC izany dia hoavy eto Madagasikara koa ny Mc Donald’s na Mc Do,

Card image cap
13-mai-2025

Ny kojakojan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy indrindra amin’izao ho an’ireo

Card image cap
09-mai-2025

Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hidina any Ranobe, Toliara,

Card image cap
09-mai-2025

Tena mijaly amin’ny hafitsoky ny mpamosavy ireo miaramila mitoby ao amin’ny tobiny any amin’ny

Card image cap