nisafidy ny hiatrika ny fetin’ny faran’ny taona tao an-tokantranony niaraka tamin’ny fianakaviany ihany. Ato no mikarakara tsakitsaky sy zava-pisotro na sakafo kely miala amin’ny mahazatra, hoy izy, miaraka amin’ny ambiansy anaty fianakaviana dia efa milamina fa efa sarotra koa izao ny fiainana. Maro ireo nisafidy ny hijanona tao an-tokantrano namarana an’iny alin’ny 31 desambra 2024 iny mba hitsenana ny 1 janoary 2025. Anton’izay, raha ny fanadihadiana natao, ny mba hifehezana ny fandaniana ao an-tokantrano sy ny mba hahafahana mifety sy mifaly ihany satria hahazo taona vaovao na dia miha manahirana aza ny fiainana amin’izao fotoana izao, hoy ny fanazavana. Tsy ho moramora rahateo ny hiatrika ny volana janoary ka dia «Herezo» koa, hoy ny hiran-dry Mahaleo izay.
J. Mirija
Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340
Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny
Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny