airtel

Actualités

10-mars-2026

Fiainan’ny vehivavy

ao Iran sy Israely

Sample post image

Misy fahasamihafàna lehibe na samy ao Moyen-Orient aza

10-mars-2026

Na dia samy any Moyen Orient aza i Iran sy Israely dia misy fahasamihafàna lehibe ny toerana sy ny fiainan’ny vehivavy ao amin’ireo firenena roa ireo, raha ny fanadihadiana natao tao anatin’izao ady mangotraka hifanandrinan’ny firenena roa tonta hanampian’ny amerikanina ny israelianina any an-toerana izao. Izany fahasamihafana izany dia hita amin’ny lalàna, kolontsaina, politika, tafika ary ny fiainana andavanandro. Raha jerena amin’ny isan’ny mponina, Iran dia manana mponina manodidina ny 93 tapitrisa ka eo amin’ny antsasany dia vehivavy. Israely kosa dia manana mponina manodidina ny 10 tapitrisa eo ho eo ary eo amin’ny 50% ihany koa no vehivavy. Noho izany dia betsaka lavitra amin’ny isa ny vehivavy ao Iran satria lehibe kokoa ny firenena.
ARA-TAFIKA
Raha ny amin’ny tafika, Israely no anisan’ny firenena vitsy eto an tany izay mampiditra vehivavy betsaka ao amin’ny tafika. Maro no manao fanompoam pirenena miaramila ny vehivavy israelianina ary efa manodidina ny 20% amin’ireo miaramila miady no vehivavy. Maro amin’izy ireo ihany koa no lasa manamboninahitra sy mitana andraikitra ambony. Ao Iran kosa, tsy voatery miditra tafika ny vehivavy. Misy ihany vehivavy ao amin’ny polisy na rafitra fiarovana sasany saingy amin’ny ankapobeny dia vitsy kokoa ary matetika amin’ny asa fanohanana.
ARA-POLITIKA
Raha jerena amin’ny politika, Israely dia efa nanana vehivavy praiminisitra, dia i Golda Meir, ary maro ny vehivavy ao amin’ny parlemanta sy ny governemanta. Ao Iran kosa dia afaka miditra politika ny vehivavy, saingy voafetra kokoa ny toerana azony raisina.
FIARAHAMONINA
Eo amin’ny lafiny fanambadiana sy fianakaviana, Israely dia manana tahan’ny fahaterahana somary avo kokoa, manodidina ny 3 isaky ny vehivavy. Ao Iran kosa dia manodidina ny zaza 2 isaky ny vehivavy izany. Samy manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiarahamonina ny vehivavy ao amin’ireo firenena roa ireo saingy malalaka kokoa ny sehatra hiasan’ny vehivavy ao Israely, indrindra amin’ny tafika sy politika, raha toa kosa ka voafehy kokoa amin’ny lalàna sy kolontsaina islamika ny fiainan’ny vehivavy ao Iran, raha ny fanadihadiana natao hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Misy ireo toetra tsy maintsy ananan'ny

Card image cap
16-avril-2026

machine élévateur" ilay olona

Card image cap
14-avril-2026

antsika fa ny hafa no mahazo tombony»

Card image cap
14-avril-2026

Ampangain’ny PAN ho mpanakorontana ireo ampahana GEN Z

Card image cap
14-avril-2026

mpanao kolikoly izaho sy ny Filoha ! »

Card image cap
14-avril-2026

Tovovavy iray izay lany

Card image cap