Ao anatin’ny fanatontosana ny tetikasa mahakasika rafi-panjariantsakafo miarina (FSRP), dia niara-nandrafitra ny paikady ho fanapariahana ireo fanavaozam-pamokarana ny mpihatrika ny atrikasa teto Ampefy ny 4 ka hatramin’ny 6 febroary 2026 lasa teo rehefa vita ny fizarana ireo voka-pikarohana azo tanatin’ny tetikasa FSRP. Maro ireo mpisehatra amin’ny fikarohana sy ireo izay mikendry ny fandrosoan’ny tontolo ambanivohitra no nanatrika sy nandray anjara tamin’ity fihaonana teo eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) ity.
FANDRAISAN-KEVITRA
Noraisina avokoa nandritry ny atrikasa ny hevitry ny maro mba hisian’ny paikady mitondra mankany amin’ny tena fandresena dia ny handrakofana vahaolana ara-teknolojika ireo saha nokendrena anapariahana izany. Ny tetikasa FSRP _izay vatsian’ny Governemanta Malagasy vola amin’ny alalan’ny Banky Iraisam-pirenena dia mikendry ny fahafahan’ny rafi-pamokarana ara-tsakafo mba hiarina hatrany rehefa misy ny vona mianjady vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Ny fiaraha-manatontosa misy eo amin’ny CGIAR sy ireo ivontoeram-pikaroana nasionaly (FOFIFA, FIFAMANOR), ny CFFAMMA ary ny SOC no antenaina hisian’ny fiampitan’ny traikefa hanamafisana ny sehatry ny fikarohana eto Madagasikara.Nisy ny atrikasa niaraha.'ireo mpiantsehatra amin'ny fambolena.koa nohararaotina ary ny fihaonana mba hifankazatran’ireo mpiara-miantsehatra amin’ny tontolo ambanivohitra toy ireo mpikaroka sy ireo vondrona rehetra mikendry ny hahatsara ny velontenan’ny mpamokatra, mba hizarana ireo voka-pikarohana vaovao tanaty ny FSRP amin’ireo vondrona heverina fa hitarika ny fanapariahana izany eny ambanivolo, ary ny mba hiaraha-mandrafitra ny paikadim-panapariahana manoritra mazava ireo iantefan’ny hafatra novolavolaina manokana ho fampiovam-pahazarana ary koa ireo hitondra izany hafatra izany.
TEKNOLOJIAM-PAMBOLENA
Teknolojiam-pambolena miisa 43 no nosedraina mba ho tohana ho an’ny fivoaran’ny Fambolena sy Fiompiana isak’ireo toetany mizara dimy lehibe misy eto Madagasikara. Mandray anjara tamin’ny fankatoavana na fitsipahana ireo teknolojia ireo ny tantsaha mpamokatra mandritry ny sedra eny amin’ny saha. Rahatoa ka efa misy ireo teknolojia efa matoy ka vonona haparitaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ireo izay mbola manta kosa dia handalo fanotrehana ary hozaraina any anaty tambazotram-panapariahana teknolojia rehefa matoy. Ny fanamby ankehitriny dia ny fanamafisana ny lojistika mba hivoahana amin’ny andrana madinika ho amin’ny fanapariahana goavana manerana ireo Faritra, hiantohana ny fitomboan’ny vokatra ho an’ny tantsaha », araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny fifanarahana misy eo amin’ny FSRP-CGIAR Andriamatoa Randriamiarimanana Mamitiana Eric. Ny tetikasa FSRP dia manome lanja manokana ireo teknolojia mampitombo ireo otrik’aina amin’ny sakafo, ary iasany avokoa ireo voly stratejika laharampahamehan’ny Faritra enina eto Madagasikara toy ny vary, ny katsaka, ny ovy ary ny mangahazo. Tsy adino koa ny fiompiana omby ary ondry aman’osy. Ny FSRP dia manaiky fa mitana anjara toerana lehibe ny vehivavy amin’ny fanavaozana ny tontolon’ny fambolena. Nanamafy Ramatoa Razafindrasoa Hélène, filohan’ny FVTM, fa: « Rehefa tohanana ny vehivavy tantsaha, dia mihemotra ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Ary aminy ny FSRP- CGIAR dia mamaly ny olan’ny vehivavy mpamokatra amin' ny fitaovana, ny zezika, ny masomboly ary ny fiofanana ara-teknika. Ho an’ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana any Itasy, ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fampiakarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha. Ny fialana amin’ny « fikarohana ambony latabatra » mankany amin’ny fikarohana eny an-tsaha dia miantoka fa ny teknolojia aparitaka dia mifanaraka tokoa amin’ny zava-misy any an-toerana sy ny filan’ny mpamokatra.
FIDINANA IFOTONY
Ankoatry ny fampahafantarana ireo voka-pikarohana dia nisy ny fidinana ifotony tany ambanivohitry ny Faritra Itasy tamin’ny andron’ny 05 febroary 2026 izay natao tany Ambohidaniera (Soavinandriana), Kajanga (Mananasy), Antanetimboahangy sy Antanetibe (Ampasamanatongotra) ary Ampefy. Ny olona izay nanatrika ny atrikasa nandritry ny telo andro (04 hatramin’ny 06 febroary 2026) dia nahita ireo toeram-pamokarana masomboly sy ny dingana atao amin'ny fanapariahana ireo teknolojian’ambeoka ireo. Nanamafy Atoa Randriamiarimanana Mamitiana Eric Mpandrindra ny fifanarahana misy eo amin’ny FSRP-CGIAR fa mila mazava amin'ny rehetra ny dingana ara-tsiantifika tsy maintsy arahana. Nohazavainy nandritry ny fitsidihana fa : « ity sahan'ny FOFIFA eto Ambohidaniera Soavinandriana ity izao dia ahitana fampitomboina ambioka fototra tsaramaso, izay alefa any amin'ny tantsaha mpamokatra masomboly mba ahazoana ambioka nohatsaraina sy voamarina (na semences certifiées) ». Afa-po tamin'ny fidinana ifotony ireo tantsaha ary nambaran' i Razafiarisoa Hélène filohan'ny FVTM (Fikambanana Vokatra Tantsaha Malagasy) fa tena ilaina ny mahita maso ahafantarana ny zava-misy sy ny fivoarana. Notsipihiny mafy ny fiovam-pahazarana hita amin’ireny tantsaha mpamokatra avy nandrato fahalalana tamin’ny faritra efa mandroso ireny (visite échange).
Nangonin'i RTT
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»