airtel

Actualités

13-oct-2025

Fiaramanidina nitondra an-dRavatomanga sy Ntsay

Nangataka hipetraka an-kamehana tao Maurice

Sample post image

Tonga tao amin’ny Nosy Maurice ny alin’ny

13-oct-2025

sabotsy teo, tamin’ny 1 ora maraina ny mpandraharaha matanjaka Mamy Ravatomanga sy ny Praiminisitra teo aloha Christian Ntsay, niaraka tamin’ny vadiny. Nanao fanambarana manokana ny Fanjakana Maorisiana omaly, tsy afa-po tamin’ny fepetra nahatongavan’ny fiaramanidina nitondra azy ireo, ary nanamafy fa tsy mitsabaka amin’ny raharahan-tokan-tranon’i Madagasikara. Raha ny vaovao niely, dia La Réunion no saika hipetrahana voalohany, saingy tsy nahazo alalana ilay fiaramanidina ka voatery nihodinkodina ela teny ambony eny. Rehefa nankatsy Maorisy dia nangataka hipetraka “ankamehena” noho ny faharetan’ny sidina sy ny mety ho fahalanian’ny solika. Milaza ny fanjakana maorisiana fa mbola hanome fanazavana fanampiny momba ity sidina ity. Tsy mbola nisy fanambarana manokana avy amin’ireo tonga, fa ny fisian’izy ireo tao amin’ny Nosy Maurice dia niteraka fanontaniana maro, indrindra amin’ny toe-draharaha politika ankehitriny eto Madagasikara. Na izany aza, nanamafy ny governemanta maorisiana fa tsy tokony ho adika ho fitsabahana amin’ny raharahan-pirenena malagasy ny fandraisany ireo vahiny. Mbola miandry fanazavana fanampiny ny mpanara-baovao…
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap