Ankoatra ny fanatsarana ny resaka foto-drafitrasa dia miezaka hampandavorary ny asa rehetra tanterahina ao amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny orinasa Ravinala Airports. Lohalaharana amin'izany ny ady amin'ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko, ny fiarovana ny ain'ny mpandeha sy ny fananany ary ny fitandroana ny filaminana. Mikasika ity farany manokana dia nanolotra fiara 4x4 marika Nissan tsy mataho-dalana iray ho an'ny zandarimariam-pirenena ity orinasa ity ho fanampiana azy ireo amin'ny fiatrehany ny asany. Tanjona ny hanamaivanana ny asan'ireto farany amin'ny andavanandro, hanaovany fisafoana amin'ny alina, hanenjehany mpangalatra....Notolorana connexion internet sy fitaovana stratejika maro ihany koa ny zandarimariam-pirenena hanafainganany ny asany. Izay manam-baovao dia mampita avy hatrany any amin'ny hafa hahafahana misambotra sy manenjika haingana ireo mpanao ratsy. Nanolotra izany ny tale jeneralin'ny orinasa Ravinala Airports Atoa Daniel lufefre.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ilay fiara 4x4 ho an'ny zandarimariam-pirenena !
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»