amin’izao fotoana izao fa ny tolotra kosa no miha ratsy hatrany, raha ny fitarainan’ny ankamaroan’ireo mpanjifa tato ho ato. Isan’ny mampitaraina amin’ireo manao asa ampitain-davitra, indrindra, ireo mampiasa solosaina ny fahasarotana amin’ny fidirana anatin’ireo tambazotram-pifandraisana tokony hiasany. Elabe vao tafiditra ny fifandraisana na «connexion», hoy ny fanazavàna, nefa rehefa jerena ny lany dia mitombo ihany. Ny asa vita nefa zara raha misy, hoy ihany ny fitarainana voaray. Etsy ankilany, dia gaga ihany koa ireo mpampiasa finday manoloana ireo antso matetika tapatapaka na tsy mifandray mihitsy vokatry ny tambazotra na «réseau» tsy tomombana. Andrasana hatrany, araka izany, ny fepetra fanatsaràna avy amin’ireo mpandraharaha eo amin’izay sehatry ny fifandraisan-davitra izay fa toy izany koa ny fepetra avy amin’ny fitondràm-panjakàna manoloana izay zava-misy izay.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"