airtel

Actualités

20-févr-2026

Fifandraisan-davitra

Tsy tena mazava ny fikorontanana

Sample post image

efa ho herinandro

20-févr-2026

Hatramin'izao dia tsy tena mazava ny fikorontanana miseho eo anivon'ny fifandraisan-davitra eto amin'ny firenena efa ho herinandro izao. Ny sasany nampahafantatra nanomboka ny sabotsy teo fa misy tsy fahatomombanana ny tolotra noho ny resaka rindram-baiko tapaka na "coupure de système". Vokatr'izay, tsy afaka nijery ny fandaniany tolotra ny mpanjifa. Tsy afaka mampiditra tolotra amin'ny fahana efa ao anaty karatra na "puce", indrindra moa ho an'ireo mampiasa solosaina. Tsy fantatra mazava nefa hatramin'izao hoe rahoviana marina no tena hiverina amin'ny laoniny ny fahafaha-mifanakalo rehetra? Hatramin'ireo karatra fifanakalozam-bola na "carte visa" no tsy mandeha. Ny an'ireo tambazotra hafa moa dia mihisatra dia mihisatra ny fifandraisana na "connexion" ary tsy mahazo tsara koa ny tambazotra na "réseau".
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap