airtel

Actualités

27-mars-2026

Fifandraisana amin’ny any ivelany

Niazo an’i Guinée Equatoriale

Sample post image

ny Filoham-panjakana

27-mars-2026

Nihazo an'i Malabo, any Guinée Equatoriale, ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michaël. Nigadona tany an-toerana omaly tamin’ny 4ora sy sasany ora Malagasy, ka ny Praiminisitra Manuel Osa no nitsena azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina. Anatin'ny fandaharam-potoanany ny fihaonana maromaro, ka loharalaharana ny fihaonana amin’ny Filohan'ity firenena ity Teodoro Obiang Nguema Mbasogo. Nambaran’ny Filoha teo am-piaingana moa, fa tafiditra ao anatin’ny dingana hitadiavam-bahaolana hamafana tsikelikely ny sazy mbola mihatra amin’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona Afrikanina izao fitsidihana ofisialy izao. Mety hisy ihany koa fihaonana amina Filoha Afrikanina hafa ato ho ato, ao anatin’ny fitadiavam-bahaolana hatrany. Tokony hanatrika ny Fihaonana antampon'ireo Filoham-panjakana sy lehibena Governemanta amin'ireo firenena ao anatin'ny OEACP, andiany faha-11, ny Filoha Malagasy ny alahady ho avy izao, raha ny fanamarihany, saingy amin’ny maha zava-dehibe ny 29 martsa, dia hitodi-doha hiverina eto an-tanindrindrazana hanatrika ny fanamarihana io daty manan-tantara eo amin'ny fiainam-pirenena ahatsiarovana ireo Malagasy nitolona ho an’ny fanafahana io ny tenany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-juil-2026

Nanomboka teny amin’ny tobim-pamokarana

Card image cap
29-juil-2026

Miantso ny fanjakana hijery ny tsenam-barom-panjakana ! »

Card image cap
28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap