ambony 71 isa nahazo fahalalana
Mpiasam-panjakana ambony miisa 71 eo anivon’ny Sekolim-pirenena momba ny Fitantanan-draharaham-panjakana na ENAM Androhibe, no nahazo fiofanana momba ny " Promotion de la langue francaise dans les relations internationales : pratiques diplomatiques, partage d’experiances et renforcement des competences". Notolorana mari-pankasitrahana izy ireo omaly ka anisan’ny nandray anjara ny Ministry ny Asam-panjakana izay marihina fa tena nanana fanetren-tena mendrika hatao maodely tokoa. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahaizan’ireo mpiofana mampiasa ny teny frantsay eo amin’ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena ilay fiofanana. Nampitaina tamin’izy ireo koa ny fahalalana sy ny teknika ilaina amin’ny fifampiraharahana, ny fifanakalozan-kevitra ary ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanatrika ny lanonana ny Tale Jeneralin’ny ENAM, ny Masoivohin’i Maroc ary ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Organisation Internationale de la Francophonie na ny OIF sy ny Alliance. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasam-panjakana mba hahafahan’izy ireo miatrika ireo andraikitra sy fanamby samihafa eo amin’ny sehatra matihanina, indrindra amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ho tombontsoan’i Madagasikara. Sehatra maro moa no hahafahana mampihatra ny fahalalana azo tamin’ity fiofanana ity eo amin’ny asam-panjakana ka anisan’izany ny fanoratana lahatsoratra sy taratasy hifandraisana, ny fandrafetana taratasim-panjakana sy tahirin-kevitra, ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana arak'asa, ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra ary ny fifandraisana ara-diplomatika sy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nampahafantatra ny fiofanana noratovon’ireo mpiasam-panjakana tamin’ny mpanao gazety omaly !
85% ny loharan’angovo azo havaozina hatramin’ny 2030