airtel

Actualités

06-févr-2025

Fihinanam-bary

Fomba mirakitra kolontsaim-pihariana lehibe ho an’ny malagasy

Sample post image

Somary mifamahofaho ihany ny rakitsoratra sy tahirinkevitra mikasika ny

06-févr-2025

tantaran’ny malagasy sy ny vary. Ao ireo milaza fa nolovaina tamin’ireo firenena aziatika niforonan’ny atao hoe malagasy toy ny malezianina sy ny paolanina ary indonezianina ny fambolena sy fihinanana vary. Misy koa anefa ireo milaza fa tsy fantatra mazava hoe avy aiza marina no nipoiran’ny fihinanana vary voalohany teto amin’ity nosy Madagasikara ity saingy ny iraisan’ny isam-paritra aloha izany dia hoe efa hatramin’ny faha vazimba no nihinam-bary, raha taraiky indrindra ny malagasy, arak’ilay fomba fiteny hoe «Totom-barim-bazimba, izay tsy mitoto tsy mihinana.». Fomba ve sa kolontsaina malagasy ny mihinam-bary? Ny fomba dia atao ary izay no mahatonga ny hoe fomba fanao, hoy ny mpahairiba, Fidèlys Raoulson, ary ny kolontsaina dia raketin’ny fomba. Araka izany dia fomba mirakitra kolontsaina ho an’ny malagasy ny vary sy ny fihinanam-bary. Ny vary no marika na «symbole» entina ilazàna na irariana fahavokarana. Heverina ho isan’ny nampandeha ho azy ny fametrahana sarina tanimbary na salohim-bary tamin’ireo karazam-bola nisy tanatin’ny vanim-potoana faha mpanjaka sy izao andron’ny repoblika izao izany. Toy izany koa ny fanolorana ireo heverina ho raiamandreny rehetra anaty fiarahamonina ny antsoina hoe «Santa-bary» na ny voaloham-bokatra mba hahafahan’ireo raiamandreny mitsodrano ny taranaka hamokatra be mandritry ny taona manontolo. Heverina, noho izany, fa ny vary dia tsy vitan’ny hoe foto-tsakafo fotsiny fa tena fomba mirakitra kolontsaim-pihariana lehibe ho an’ny malagasy ka antony maha sarotra ho an’ny ankamaroantsika hiala amin’izany fihinanam-bary izany na dia miha midangam-bidy hatrany aza izany ankehitriny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap