airtel

Actualités

05-déc-2025

Fikambanana Mii’zara

«Tsy miandry mpitondra sy

Sample post image

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

05-déc-2025

Mirona bebe kokoa amin’ny fampandraisana andraikitra ireo tanora amin’ny andraikitra sy adidy tandrify azy ireo eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ny hetsika ataon’ny fikambanana Mii’zara, hoy ny filohany, Fafah Rarivo. Iaraha-mahita ankehitriny, hoy izy, fa misy fahasimbàna sy fahaverezana eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Tena simba ny toetsaina. Simba sy voaloto ny fiarahamonina ka tsy mahay mifamelona intsony. Na ny olon-dehibe koa aza lasa zatra mifanaratsy, mifanilika andraikitra fa tsy sahy mijoro handray ny andraikitra tandrify azy avy. Lasa miandry ny hafa hatrany. Eo ny mety ho fananan’ny tsirairay ny firehana politika misy azy avy na fomba fijery samy manana ny azy saingy tsy miandry mpitondra sy firehana politika ny adidy ho an’ny firenena. Izay no mahatonga ny fikambanana miezaka ny hahatonga saina ny rehetra fa tsy vitan’olon-tokana ny fanatsaràna ny atao hoe fiarahamonina misy antsika avy. Mila hoe ny malagasy any ifotony mihitsy, manomboka any amin’ny madinika indrindra no mandray andraikitra. Iany amin’ny fokontany misy anao ianao tokony mahalala ny andraikitrao fa tsy hiandry fotsiny hoe aiza ny filoham-pokontany? Azonao tsimponina ny fako sendra ny lalanao dia ariana amin’ny toerana tokony hanariana izany. Anatin’ny fotoana fahavokaran’ny Litchi izao isika dia jereo fa feno hoditra sy vonin’izany voankazo izany ny lalana rehetra. Maloto ny tanàna. Iza no omena tsiny avy eo? Azontsika atao nefa ny mitahiry ny fako mandra-pahitàna toerana ahafahana manary izany. Ohatra mety heverintsika hoe madinika izany nefa afaka manova zavatra goavana anatin’ny fiarahamonina eto amin’ity firenena ity, hoy hatrany ity fikambanana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap