airtel

Actualités

27-nov-2025

Fikambanan’ny olompirenena mijoro

amin’ny fahamarinana «Andao

Sample post image

ho raisintsika ny andraikitra ho fanovàna izao firenena izao!»

27-nov-2025

Mijoro ankehitriny ny Fikambanan’ny olompirenena mijoro amin’ny fahamarinana na FOMF eto Madagasikara, raha ny fanambaràna nataon’izy ireo voaray omaly. Manana vina hampandrosoana an’i Madagasikara izahay, hoy izy ireo. Tsapa ny fananana adidy ilàna fifanoloran-tanana amin’ny samy malagasy handray anjara biriky amin’ny fanavaozana ny firenena ka hiara-hisalahy amin’ny ady amin’ny kolikoly, fahantrana, tsindry hazolena. Eto Antananarivo renivohitra no misy ny foiben’ny FOMF. Mbola hiparitaka any amin’ny faritra rehetra ihany koa. Hivelatra manerana an’i Madagasikara mihitsy ny fikambanana ary manana fotodrafitrasa manokana. Ao ny tetikasa ho an’ny tanora toy ny lafiny famoronana asa sy fanatanjahantena. Eo koa ireo asa sosialy. Misokatra ho an’ny rehetra ny fikambanana. Antsoina ny malagasy rehetra, indrindra ireo tanora, andao ho raisintsika ny andraikitra ho fanovàna izao firenena izao fa isika no andrandrain’ity firenena ity, hoy hatrany izy ireo!
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap