alarobia 18 novambra 2025 ny filohan’ny fanavaozana ny repoblika malagasy, Ny Kolonely Michael Randrianirina, no hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny «Concertation nationale Chrétienne» na fikaonandoham-pirenena Kristianina, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Eny amin'ny ISTS Catholique Mandrimena Iavoloha no hanatontosàna izany. Raha ny fandaharam-potoana voaray dia tokony hisy ny tafa fohy amin’ny mpanao gazety ho ataon’ny filohan’ny fanavaozana aorian’ny fanokafany ity heverina ho fotoan-dehibe ho an’ny Kristianina eto Madagasikara ity. Manomboka amin’ny 8 ora maraina kosa no hanatontosana izany, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»
Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »