Ankalazaina anio 05 desambra ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Volontariat (JIV) na ny mpilatsaka an-tsitrapo. Tanterahina etsy amin’ny salle Havoria Anosy, miaraka amin’ny « salon du volontariat » iarahana amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanamarihana izany. Hisy fampirantiana sy adihevitra hanasongadina ny asa vitan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo, indrindra ny fambolen-kazo, fikojakojana sy fanaraha-maso ny zana-kazo, ary ny fanentanana ka isan’ny loharahana amin’io ny Bôndy Green Army (BG). Nialoha an’io, dia efa nisy ny fampirantiana ao amin’ny Trano Sary Ambohidahy nanomboka ny 2 desambra hatramin’ny anio hanasongadina ny lanjan’ny asa an-tsitrapo sy ny fiantraikany eto Madagasikara. Ny Bôndy Green Army, naorin’ny Fikambanana Bôndy tamin’ny 2021 ary nahazo sata ofisialy tamin’ny 2022, dia fikambanana tanora mpilatsaka an-tsitrapo miara-miasa amin’ny asa famerenana ala. Tanjona mazava ny hamerina an’i Madagasikara ho “Nosy Maitso” fa tsy “Nosy Mena”. Araka ny filazan’i Tiana Solomon Randrianjatoharimanana, filohan’ny BGA sady tompon’andraikitra amin’ny Mobilisation Citoyenne ao amin’ny Bôndy, dia efa manana mpikambana 200, ka 150 dia tena mavitrika. Ireo tanora ireo no mizara ny vina hanamaitsoana indray ny Nosy. Hatramin’ny 2021, efa nahavita nampihetsika olona 7.000 nandritra ny vanim-potoana fambolen-kazo, na tamin’ny alalan’ny fikambanana na tamin’ny fandraisana andraikitra manokana ny VGA. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo dia mandray anjara amin’ny fambolen-kazo, fikojakojana, fanaraha-maso ary fanentanana natao tamin’ny sekoly folo mahery. Manamafy ny fiaraha-mientana amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny fikambanana sy andrim-panjakana ny BGA. Efa niara-niasa tamin’ny fikambanana 50 izy amin’ny fanentanana sy fambolen-kazo. Ho an’ny orinasa, namorona ny BénéVintsy izy, vondrona misy mpilatsaka an-tsitrapo 25 miara-miasa amin’ny Clubs Vintsy hanampy sy hanara-maso ny hetsika fambolen-kazo ataon’ny orinasa. Na dia mifantoka amin’ny faritra Analamanga aza ny asa, dia manana vina lavitr’ezaka ny BGA hanitatra izany amin’ireo faritra hafa iasan’i Bôndy, toy an’i Toamasina, Mahajanga ary Diana. Ny Bôndy Green Army dia manaporofo fa ny volontariat sy ny tanora dia isan’ny hery lehibe manosika amin’ny famerenana ny ala sy ny fanovana ny endrik’i Madagasikara ho Nosy Maitso indray.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»