fanombohana ny Drafitra Stratejika Vaovaon’ny taona 2025–2030 izay an'ny Andrim-panjakana Ambony Misahana ny Fankatoavana sy ny Fanaraha-maso (ISC) eto Madagasikara. Ity Andrim-panjakana Ambony Misahana ny Fanaraha-maso ny Fitantanam-bolam-panjakana ity rafetin’ny Fitsarana momba ny Kaonty sy Fitsarana ara-bola izy io. Tanjony amin'izany dia ny hanome ny anjara biriky amin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana, hanamafy ny toeran’ny andrim-panjakana eo amin’ny sehatra ofisialy ary ny hanatsara ny fitantanana anatiny. Tonga nanokatra izany fotoana izany tamin’ny fomba ofisialy, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.Rakotomandimby Benjamin Alexis. « Ny fijerena ny tena filan’ny vahoaka dia alefa miompana amin’izany ny fandaniambolam-panjakana. Izay no itanay hatramin’izay ka hatramin’izao hoe : mba tokony makany amin’ny laharampahamehana kokoa amin’ny vahoaka ny volam-panjakana. », hoy ny Filohan’ny Fitsarana momba ny kaonty Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina. Mazava ho azy, hoy hatrany izy, fa tsy maintsy misy ny tsy fetezana samihafa, ka tsy mijanona amin’ny fitserana fotsiny, fa manome ny vahaolana, ka anjaran’ny Fanjakana no mijery hoe : rahoviana no hanatanterahana ity vahaolana ity izay miankina amin’ny zava-misy eo am-pelantanany. Anisan’ny zava-dehibe amin’ny ISC ny resaka fahaleovantena, ka nilazany fa fanamafisana ny fahaleovantenany hahafahany mitondra fanatsarana misimisy kokoa ny fitantanam-bolam-panjakana : fahaleovan-tena ara-drafitra, fitantanana, ara-bola no tena zava-dehibe. Na izany aza, mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara, toy ny resaka fitantanam-bola, ka tsy ny fitsarana momba ny kaonty mihitsy no hametraka « forcing » toy ny fitantanana ara-bola sy ara-drafitra, fa mety misy fotoana ny zava-drehetra, hoy hatrany Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina. Efa betsaka moa ireo tatitra sy vokatra nentin’ity rafi-pitsarana ity izay nanatsikafona mivantana na ankolaka ireo zavatra tsy mety eto, toy ny tamin’ny covid-19, ny fitantanana ny volan’ny covid-19,… Ny taona 2022 dia nosokajian’ny Fanjakana Amerikanina ho tompondaka iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly ny Filohan’ny Cour des comptes Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina.
Toky R
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"