airtel

Actualités

18-mars-2026

Firaisamonim-pirenena

Tsy handray anjara amin’ny

Sample post image

fanoloana ireo mpikambana ao amin’ny CENI

18-mars-2026

Tsy ilaina ary tsy laharam-pahamehana velively ny fanoloana ireo Mpikambana maharitra/Kaomisera mandrafitra ny Biraon’ny CENI. Ny fanafoanana ny Birao maharitra aza no tokony atao ka ireo Mpanatanteraka no mampihodina amin’ny farafahakeliny ny Rafitra mandra-pahatongan’ny Rafitra mpikarakara ny fifidianana avoakan’ny Fanavaozana". Nivoitra io omaly nandritra ny antso fanairana nataon'ny firaisamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fifidianana, ny demokrasia ary ny haitondra mahomby miantefa amin'ny Fitondrana indrindra ny Filohan’ny fanavaozana sy ny Praiministra vaovao. Nilaza ny Firaisamonim-pirenena fa tsy azo itokisana ary tsy afaka mitarika ny fanavaozana ny zotra sy ny lalàna ary ny rafi-pifidianana velively raha ny rafitra CENI amin’izao fotoana izao. Heverin'ny firaisamonim-pirenena fa fandaniam-poana ho an’ity Firenena efa sahirana ity ny fanoloana Mpikambana eo anivon’ny CENI izay tsy azo itokisana ary tsy misy asa ho ataony akory.
Nangonin'i Jean D.
Ny Firaisamonim-pirenena nanao fanambarana omaly
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap