dia nilaza ny sabotsy teo fa mijoro eto amin'ny tany sy ny firenena ny Firaisan'ny mpandinika Mozilmanina eto Madagasikara ary manao izao fanambarana manaraka izao. Rehefa ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ary ny tsy hitsiny sy ny tsindrihazolena no mahazo vahana sy manjaka eo amin'ny fiarahamonina na ny firenena iray dia tsy maintsy miafara amin'ny fitraorana sy korontana ary fahapotehana, na ho ela izany na ho haingana izany. Lalana Voajanahary tsy azo ihodivirana no mahatonga izany satria isan'ny toetra raiki-tapisaka ao anatin'olombelona velom-panahy ny tsy fitiavana sy tsy fanekena izany tsy fahamarinana sy tsy rariny izany fa ny endrika isehoany no mety ho samihafa, arakaraky ny fiaraha-monina sy ny toerana ary ny vanimpotoana isehoan'ny fitraorana sy ny korontana ary ny fahapotehana, hoy izy ireo. Manamarina izany ny zava-mitranga eto amin'ny tany sy ny firenena ankehitriny ary manambara izany fa marary ny fiarahamonina misy antsika. Marary ny vahoaka malagasy ary marary i Madagasikara. Miombon-kevitra amin'ireo tanora manerana ny nosy tohanan'ny ankolafin'olompirenena amin'ny faritra rehetra eto Madagasikara izay mijoro manohitra ny tsy rariny miteraka fahantrana lalina sy fahoriana tsy roa aman-tany mianjady amin'ny vahoaka malagasy efa taona maro lasa izay. Manameloka tanteraka ny jadona sy ny fisamborana ary ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana sasany amin'ny vahoaka mitaky ny zony an-tanam-polo izay niteraka fandratrana sy famonoana mpiray tanindrazana niniana natao ary mitaky fampitsaharana ireo rehetra voalaza ireo tsy misy fepetra na hatak'andro. Isaorana eram-po, eran-tsaina, etsy an-danin'izany, ny tafika malagasy izay mijoro ankehitriny hiaro ny vahoaka. Miara-ory amin'ireo namoy havana, singanina manokana amin'izany ny fianakavian'ny Marhoum Rivaldo, izay zanaky ny antokom-pinoana Islamo sy ny fianakaviambe Mozilmanina ary maneho ny alahelonay amin'ny fiampangana ny tsy manan-tsiny novonoina tsy ara-drariny ho mpandroba. Mirary fahasitranana ho an'izay naratra na koa marary noho ny herisetra nihatra taminy ary mankahery ireo very fananana tamin'ny fandrobana nataon'ireo tsy mataho-tody. Manamafy hatrany ny fampahatsiahivana ireo mpitandro filaminana fa hiaro ny vahoaka sy ny fananany no andraikitra napetraky ny firenena taminareo fa tsy hanao herisetra na handatsa-drà na koa hamono malagasy iray rà aminareo ary aza adino fa avy tamin'ny vahoaka ianareo ary mbola hiverina amin'ny fiarahamonina ihany koa. Ambara ho ren-tany ho ren-danitra fa olompirenena feno tahaky ny malagasy rehetra ny mpanaraka ny finoana Islamo ka hijoro amin'ny heriny rehetra amin'ny fiantsorohana ny adidiny mahakasika ny fanarenana sy fampandehanana ny fiainam-pirenena ankapobeny ary tsy hanaiky intsony ny fiheverana azy ho toy ny olompirenena an-jorom-bala na fanilikilihana na koa fanaovana azy zanak'ikalahafa manomboka izao, hoy hatrany ny fanambaran'izy ireo.
Nangonin'i J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"