airtel

Actualités

12-juin-2026

Firaisankinan’ny mpitatitra

Mitaky ny hanajanonana ny hetra TVM

Sample post image

Mangataka ny fanafoanana ny

12-juin-2026

fakana ny hetra alaina amin’ny fiara mandeha motera ny mpitatitra. Hampitombo ny fatiantoka efa hiainan’ny mpitatitra amin’izao fotoana izao ny fampiaran’ny fanjakana alaina amin’ny fiara mandeha motera na ny TVM, hoy ny firaisakinan’ny mpitatitra , izay ahitana ny mpanao Taksibe eto Antananarivo sy ny ivelan’Antananarivo , zotra Regionaly, ny Taxi, ny mpitatitra entana . Nambaran’izy ireo fa efa tena midangana ny vola alain’ny fanjakana amin’ny mpitatitra amin’izao fotoana izao ka mahatonga ny tsy fahoambiazan’io seham-pihariana iray io. Raha hoan’ny mpampiasa taksibe eto andrenivohitra ohatra dia efa mahatratra 2 813 000 ariary isan-taona ny vola alohan’ny tompon’ny fiara iray isan-taona. Ho tafakatra 3 153 000 ariary indray izany io vola tsimaintsy aloha io raha vao mandoa ny TVM ireo mpitatitra. Efa azo lazaina ho antitra sy mihoatra ny 20 taona avokoa mantsy ireo fiara manao asa fitaterana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Rehefa natao ny kajikajy dia maty antoka hatrany amin’ny 11 415 ariary isan’andro ny mpitatitra, hoy atoa Randrianarisoa harilanto filohan’ny koperativa Mirindra sady mpitondra tenin’ny firaisankinan’ny mpitatitra raha mbola 600 ariary ny saran-dalana. Noho ireo antony ireo dia miantso sy mangataka ny mpitondra fanjakana mba hanajanona ny fitakiana io TVM ion y mpitatitra. Toa mamporisika azy ireo hampiakatra sarandalana mantsy izao zavamisy izao kanefa dia iaraha mahalala fa mbola tena ao anatin’ny fahasairanana ny vahaoaka malagasy ka tsy ampilamina izany fiakaran’ny saran-lana izany.
Solotiana
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

intsony ny fikaonandoha eo!»

Card image cap
14-août-2026

miazo an'i Toamasina

Card image cap
14-août-2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Card image cap
14-août-2026

no filan'Antananarivo

Card image cap