airtel

Actualités

05-déc-2025

Firenena malagasy sy Suisse

Nifanekena ny hanagiazana ireo vola maloto

Sample post image

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

05-déc-2025

ny fitombokasem-panjakana, minisitry ny fitsarana malagasy, Fanirisoa Ernaivo sy ny minisitry ny raharaham-bahiny sady sekreteram-panjakana eo anivon’ny fitsarana soisa, Franz Xaver Perrez, raha ny fampitam-baovao voaray omaly, ka nandritra izany no nisy ny fifanarahana teo anivon’ny firenena malagasy sy ny firenena soisa. Nisongadina tamin’izany ny fiverenan’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy sosialy eo amin'ny fanjakana roa tonta. Voaresaka tamin’ny fihaonana ihany koa ny fanamorana ny fifanakalozana mpiasa sy mpianatra malagasy any Soisa. Mahakasika ny fiainam-pirenena dia nifanaiky ny fanjakana roa tonta ny amin’ny fanagiazana ireo fanananana sy kaonty any Soisa an’ireo teratany malagasy izay voakasika amin’ny raharaha maloto. Eo ihany koa ny fampodiana an-tanindrazana ireo olona voaheloka, na aty Madagasikara izany, na any Soisa ary ny fifanekena amin'ny famerenana na "rapatriement" an-tanindrazana ireo vola izay giazan’ny fanjakana malagasy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap