airtel

Actualités

28-oct-2021

Actualités

Fisokafan’ny sisintany Mamporisika ny amin’ny fa nnaovam-bakisiny ny mpitsabo

Sample post image

Efa miha manakaiky ny fotoana hisokafan’ny sisintany eto amintsika hahafahana manarina ny toe-karena izay nitontongana vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19.

28-oct-2021

 Ankoatra ireo karazana fepetra hahafahana miaro ny aretina tsy hiparitaka dia anisan’ny tena vahaolana mahomby no sady hahafahana mandresy tanteraka ny aretina ny fanaovam-baksiny raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina. Miantso ny rehetra mba hanao vaksiny araka izany ny tenany. Ho an’ireo olona miditra sy mivoaka ny faritra dia notsiahiviny fa efa mahazo ny anjarany eny amin’ny tobim-piantsonana izy ireny ho an’izay mazoto. Ho an’ny sarababem-bahoaka kosa dia mbola mitohy ary azo hatao tsara ny manatona ireo ivon-toerana mandray an-tanana izany toy ny etsy amin’ny hopitaly Befelatanana hahafahana miady amin’ny aretina. Tsiahivina moa fa ahitana cas importe amin’ny valan’aretina Covid 19 miisa roa eto amin’ny Faritra Analamanga amin’izao raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony tale misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana. Efa manaraka fitsaboana ireo olona roa ireo amin’izao hoy izy raha tsy mbola misy eto amintsika kosa ary tsy tokony atahorana ny variant hoy hatrany izy. Ankoatra izay dia nisy omaly ny fidinana ifotony notanterahin’ny tompon’andraikitra teny anivon’ireo hotely misy ireo olona avy any ivelany manaraka fihibohana ankehitriny ho fiarovana ny ain’ny mpiara-belona.
Pati

 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Tontosa ny Sabotsy 27 aprily teo, tetsy amin’ny efitranon’ny Holafitry ny Mpanao gazety (OJM)

Card image cap
30-avril-2024

Mihasarotra andro aman’alina ny olana mianjady amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao.

Card image cap
29-avril-2024

Tanjona ny ialan’ny malagasy amin’izao toe-draharaha izao»

Card image cap
29-avril-2024

Mbola mafy ny asa atao, ny zava-miandry, hoy ny kandida ho depiote ao amin'ny boriboritany faha 4,

Card image cap
29-avril-2024

Niverimberina tato ho ato ny fifanolanan’ireo mpivarotra eto Antananarivo sy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo

Card image cap
29-avril-2024

Misy namana mpiara-miasa tamiko, lehibeko, hoy ny mpanolontsain’ny SMARM na Sendikan’ny mpiasan’ny angovo

Card image cap