Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, mba ho mailo manoloana ireo olona milaza fa mampindram-bola, mahavita mampitombo vola, na manampy ara-bola, fantatra amin’ny anarana hoe "influenceurs financiers". Maro ny mpisoloky amin’izao fotoana izao, hoy ny minisitra, ka aoka ho mailo ny rehetra. Mitombo isa ny mpanararaotra amin’ny sehatry ny ara-bola, izay miezaka mamitaka sy manararaotra. Noho izany, miantso fahamailoana ny minisitra. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa na dia ny sariny aza dia efa ampiasain’ny kaonty sandoka sasany amin’ny Facebook ho fantsom-pamitahana. Betsaka ireo endrika isehoan'izany hatrany anaty "commentaires" na setrim-panehoan-kevitra amin'ny tambajotran-tserasera sosialy no misy miezaka mampiditra an'ireny resaka fandrobohana amin'ny resaka fampindramana sy fampitomboana vola ireny. Navoitra ao anatin'ny "Global Money Week" na Herinandron’ny Fanabeazana Ara-bola, fankalazana izay hatao eto Madagasikara nanomboka omaly 10 martsa ka hatramin’ny 23 martsa io resaka fahamailoana io. Lohahevitra amin’ity andiany faha-13 amin’ny Herinandron’ny Fanabeazana Ara-bola ity rahateo ny fahamailoana amin’ny fitantanana ara-bola. Noho izany, nataon’ny minisitra antso izany amin’ny alalan’ny teny fohy hoe:“Aza manaraka olona kisendrasendra amin’ny fitantanam-bolanao, fa aoka ho mailo hatrany.” Nambara fa manana Drafitra Nasionaly ho amin’ny Fampidirana Ara-bola (SNIM) 2024-2028 i Madagasikara, izay mampiditra ao anatiny ny fanabeazana ara-bola sy ny fiarovana ny mpanjifa. Io drafitra io dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana sy ny fampiasana ireo serivisy na fikarakarana ara-bola amin’ny fahamalinana sy fiarovana ho an’ny olom-pirenena tsirairay. Nohamafisina fa ny fanabeazana ara-bola izay ampitaina mandritra ny Global Money Week dia miorina amin’ity drafitra nasionaly ity. Araka ny SNIM 2024-2028, fototra lehibe amin’ny fampidirana ara-bola ny fanabeazana ara-bola, satria mampianatra ireo fitondran-tena sahaza amin’ny fitantanana ara-bola. Manampy amin’ny fiarovana ny vahoaka amin’ireo fisolokiana ara-bola isan-karazany ihany koa izany. Navoitra ihany koa fa zava-dehibe ny fampidirana azy ao anatin’ny fandaharam-pampianarana nasionaly, mba hananana kolontsaina ara-bola matanjaka ho an’ny taranaka ho avy.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny