Nitrangana savorovoro sy herisetra nahatafiditra mpitandro filaminana ny faran'ny herinandro teo teny Ambohijanaka, Antananarivo Atsimondrano. Araka ny fampitam-baovao, misy karaoké-bar iray eo Ambohijanaka, tsy lavitra ny paositry ny zandary. Nisotrosotro tao ny mpitandro filaminana maromaro, hatramin’ny lehibe iray. Voalaza araka ny fitantarana fa niala aloha io, fa ireo namany kosa rehefa nangalana ny "addition" dia tsy nety nandoa vola mihitsy, fa hoe “rehefa avy eo”. Ilay lehilahy tompon’ny "bar" dia nanao boule niaraka tamin’ny polisy iray antsoina hoe N, izay voalaza fa mpiambina minisitra iray teo aloha. Rehefa tonga izy ireo (mandalo eo amin’ny karaoké ny lalan’ilay polisy mody), dia nivily niaraka nankeny an-tsena, ka nitaraina tamin’ny vadiny ilay vehivavy niandry tsena teo fa tsy nety nandoa vola ilay zandary. Nitaky ilay vola izy, fa tsy nety nanome ny andaniny, fa hoe “miverina eo izahay avy eo”, hoy ny fitantarana. Voalaza fa niverina tokoa izy, niaraka tamin’ny "éléments", ka nisava CIN an’ireo rehetra tao anaty bar. Namaly ny tovolahy iray ka niteny hoe: “Miaraka mirevy eto ve isika ra sefo dia mivadika mitaky CIN tampoka ianareo? Sady jereo ihany koa ny lera fa mbola tsy tena alina be anie izao e!” Raikitra ny fifamaliana sy fanosehana tonga tamin'ny hoe: “Fa ialahy izany, toa be famaliana.” Nitsangana ny zokin’io voatosika io, antsoina hoe ZB, izay polisy koa, ka niteny hoe: “Aza ataon’ialahy isany an’izany ny zandriko.” Avy hatrany raikitra ny famahanana basy teny an-tanany ka voalaza fa nisy fanambana an'izany an’ilay polisy niaro ny zandriny. Niditra an-tsehatra ilay polisy iray avy nanao "boule", ka niteny hoe: “Sao dia tsy hain’ialahy isany ny mampiasa ilay basy fa toa ataon’lesany hery famoretana fotsiny! CIN ve no takin’ialahy isany dia tonga hatramin’ny famahanana sy fanambanana basy? Ny basy isika samy manana fa ny anay ampiasaina amin’ny tena tokony hampiasana azy.”, hoy hatrany ny tatitra naneho ny fisiana fifamaliana. Lasa ny andaniny niakatra tany amin’ny toby misy azy.
NALAINA NY BASY, VONO SY DAROKA,...
10 minitra taty aoriana, nody ireo polisy roa lahy (ZB & N) niaraka tamin’ny ankizy roa zanaky ny tompon’ny bar, izay samy mianavaratra. Raha vao nihemotra teo amin’ny 150m eo ho eo izy ireo, dia nisy 4x4 tonga nirimorimo be izay voalaza fa an'ny lehiben'ny mpitandro filaminana ao an-toerana, narahin'ny élements. Ireo ankizy roa saika ho aterina dia nasaina niditra tao anaty fiara. I ZB kosa tafaporitsaka, fa i N no voasakana. Nalaina avy hatrany ny basy teny aminy. Niteny i N hoe: “Manana autorisation hitazomana an’iny basy iny aho.” Nanao "présentation" izy, fa tsy noraharahiana. Nizara 3 ny formation an’ireo: ny 2 miandry fiara avy any ambony, ny 1 miandry ny avy aty ambany, ny 3 kosa no namono an’i N. Daka tamin’ny rangers, vody basy, totondry, sy opa variraraka no nahazo an’i N. Rehefa namono elaela dia nisy feo niteny hoe: “Aleo lery eliminena dia atao "résultat" fotsiny avy eo.”, hoy hatrany ny fitantarana. Niteny i N hoe: “Fa inona kosa no faute grave nataoko no dia éliminéna aho?” Niverina indray ny daroka, ary nasaina nandohalika izy. Tsy nety nandohalika mihitsy izy, satria raha vao miondrika dia mora be ny fitifirana azy. Nambanana tamin’ny basy izy, fa naviliny foana, ary mitohy ny vely vody basy sy totondry, hoy ny fitantarana. I ZB kosa tsy nody fa nitsoaka niantso éléments, izay polisy, cousin an’i N: “Vonjeo fa matin’ny gendarme atsy ambany atsy i N!”. Niantso ny dadan’i N ilay « cousin », dia niditra moto avy hatrany. Nanao « présentation » izy ka naka « vidéo » tamin’ny findainy. Nosontonina ilay finday, voaray, narahina fanapoahana basy. Nisy basy tany amin’ilay « cousin », saingy tsy nampiasaina ho fisorohana tsy hisy loza mitranga, hoy ny fitantarana. Niverina izy, dia nalevany teo ireo. Ireo havan’i N rehetra nanaraka dia nosakanan’ilay ,"cousin" satria olona mitazona fitaovam-piadiana daholo ireo. Niantso an-tariby ny « ex-ministre » iray io. Avy hatrany dia niantso ny CB (Commandant de Brigade) sy CC (Commissariat Central) avy teo amin’ny manodidina. Tonga malaky izy ireo ka nentina tany amin’ny CSB2 i N,... raha ny ambangovangon’ny fanazavana. Nisy moa ny fivoriam-pokonolona nanehoana teo anoloan’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ny tsy fankasitrahana ny zava-nitranga, ny herisetra,... teny Ambohijanaka ny alatsinainy tolakandro teo. Na izany aza, andrasana ny mety ho setriny na fanazavana hafa manodidina ity raharaha ity sy ny tohiny…
Toky R
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"