airtel

Actualités

02-oct-2025

Fitantanan-draharaham-panjakàna

Miha mihidy tsikelikely indray ny «robinet»

Sample post image

Nitohivakana ny fanambaràna sendikaly mikasika

02-oct-2025

ny fampitsaharan’izy ireo ny asa aman-draharahany an-davan’andro tato anatin’izay 6 andro izay. Nanao ny fitokonany koa omaly ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamàm-bahoaka. Miha mihidy tsikelikely indray, araka izany, ny fitantanan-draharaham-panjakàna na ny «robinet», hoy ny fomba malaza nitenana azy izay tao anatin’ny tetezamita 2009 hatramin’ny 2013. Miitatra hatrany ny fitakiana isan-tsehatra manoloana ireo heverina fa tsy fihetezan-javatra maro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, na ara-tsosialy io na toekarena na politika na fahasalamàna, araka ny nambara teo, sy sehatra hafa maro tsy voatanisa. Tsy azo ihodivirana ny krizy vaovao saingy andrasana aloha izany izao hoe ahoana no hiafaràn’ity tolona niainga tamin’ny antsoina hoe «Hetsika tsy manaiky lembenana» ny 18 septambra teo nanoloana ny antenimieran-doholona ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-mai-2026

ny Filohan’ny fanavaozana ! »

Card image cap
15-mai-2026

no hivoaka amin’ny fikaonandoha fa tsy olona!»

Card image cap
KMF
15-mai-2026

ny fikaonandoham-pirenena

Card image cap