airtel

Actualités

04-nov-2025

Fitantanana nanjakan’ny kolikoly sy afera maloto

Nilatsaka ny IST ho an’ny

Sample post image

Governemanta sy olona ambony teo aloha

04-nov-2025

Araka ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fandrindram-pitantanana ny 31 Oktobra 2025, namoahana fandraràna tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST ny mpitondra ambony maro teo aloha miainga amin’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, priminisitra teo aloha Ntsay Christian, ireo mpikambana rehetra tao amin’ny governemanta teo aloha, tan-dapa maro teo aloha. Tafiditra ao anatin’izany Rtoa Rinah Rakotomanga, mpanolotsaina manokan’ny filoha teo aloha ; Lova Ranoromaro, talen’ny raharaham-pirenena iraisam-pirenena sy mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Repoblika ; Rojoniaina Andriamaholo, mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ; Dina Andriamaholy, sekretera jeneraly lefitra teo aloha tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika ; Germain, tale jeneraly misahana ny hetra ; Ernest Lainkana Zafivanona, tale jeneralin’ny fadin-tseranana,… Manamafy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo ny 21 oktobra 2025, mandrara ny fahafahan’ireo tompon’andraikitra ambony samihafa eny amin’ny Minisitera tsy hivoaka an’i Madagasikara anatin’ny 3 volana sy hanao tatitra mazava mikasika ireo fananam-panjakana toy ny fiara sy ny volam-panjakana izany. Tafiditra ao anatin’ny politika hiadiana amin’ireo fanetriben’ny Firenena, ny kolikoly,… izay anisan’ny fanavaozana andrasana eto amin’ny Firenena. Na izany aza, misy amin’ireo mpitondra ambony teo aloha no fantatra sy re fa efa nitsoaka any ivelan’i Madagasikara. I Andry Rajoelina dia voalaza nisafidy nitsoaka any Dubaï mipetraka amina nosy artifisialy, mitavana ny fananana azo tamin’ny tsy rariny. I Mamy Ravatomanga atsy Maurice, ataon’ny Maorisianina andrimaso, saingy miezaka mafy manao ny faraheriny amin’ny fialana amin’ny vesatra sy fanenjehana ara-pitsarana,… Mitady ny fomba rehetra hialana ao amin’ity Nosy ity ka ezahin’ny mpiaro azy atao indray ny hoe : tsy mety amin’ny toe-pahasalamany. Marina fa misy finiavana entin’ny Fanjakana hamerina ireo harena navoaka teto nodiovina any ivelany, toy ny nilazan’ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo fa mitentina 5 miliara dolara no atao izay hahatafaverenany eto, saingy raha ny sary ao Maurice dia mitady ny fomba rehetra hanagiazana ny fananana sy volan’i Mamy Ravatomanga ao ny Maorisianina. Ity farany izay efa nangatahana fiaraha-miasa tamin’ny « Interpol » na ny polisy iraisam-pirenena ny hamoahana « notice rouge », saingy sarotsarotra. Mila henjana sy hentitra ary mahomby amin’ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika, fiaraha-miasa ara-pitsarana,… Efa mamoaka sary any Etazonia ohatra ny Minisitry ny vola teo aloha Rindra Hasimbelo, izay misy ny miampanga azy ho manao ny fomba rehetra hanaovana fahirano an’i Madagasikara any amin’ny resaka fanohanana an’i Madagasikara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Nahoana no mbola nisy tafavoaka ireo olona ambony ? Hanao ahoana ireo mbola eto ? Isan’ny mety manitikitika ny saim-bahoaka amin’izao fotoana izao ny hoe : nanao ahoana ny tahirimbolam-panjakana taorian’ny nionganan’ny Fitondrana Rajoelina ? Najanona sy voatantana araka ny tokony ho izy sa notaomin’ireo mpitondra teo aloha ?

BETSAKA IREO DOSIE MALOTO
Maro ireo dosie maloto goavana mahakasika kolikoly, vao ireo lohandohan’ny mpisorona tany anaty Fitondrana no namoahana IST, izay betsaka aza no efa tafavoaka an’i Madagasikara. Betsaka ireo olona ambony teo aloha sy ireo mbola mijanona ho olom-boafidy no manana dosie goavana mikasika ahiahina kolikoly goavana, raha tsy hilaza afatsy depiote, loholona, governora, mpitantana orinasam-panjakana,… Ireny manomboka mitsikafona ireny ohatra ny dosien-dry Vy Vato Rakotovao mikasika fitsetsefana volam-panjakana tamina resaka solika 100 tapitrisa Ar isam-bolana. Ny dosien-dry depiote Lanto Rakotomanga izay nanapatra ny fahefany maha depiote nentina nangoronana harem-pirenena, ny dosien-dry Rafidimanana Désiré izay malaza ratsy amin’ny fitsetsefana ny vola tokony hiditra tamin’ny Kaominina Antananarivo tamin’ny alalan’ny fametrahany ny olony tamin’ireo rafitra samihafa toy ny tsena,… Tsy resaka fiantsoana valifaty politika, ary tsy resaka valifaty politika ny fanadiovana. Tsy voatery ho meloka avy hatrany ihany koa ny rehetra, fa matoa betsaka no nitsoaka tsy sahy miatrika dia ao raha ! Mila mipetraka ho fitaratra ihany koa anefa ny Fanjakana satria misy ihany ny tranga mampiahiahy ny olom-pirenena, toy ny fahitana tompon’andraikitra ambony tamina orinasam-panjakana, efa voarohirohy sy nidoboka am-ponja vonjimaika tany aloha saingy niverina soa aman-tsara any anaty orinasam-panjakana ankehitriny.
Toky R