airtel

Actualités

16-oct-2025

Fitantanana sy fanavaozana ny Firenena

Hianiana etsy amin’ny HCC

Sample post image

rahampitso i Kolonely Michael

16-oct-2025

Nivoaka ny serasera ofisialy avy amin’ny Fiadidiana iombonana ho an’ny fanavaozana izay mitantana ny Fanjakana Malagasy omaly, fa mandray sy manaiky ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mitondra ny laharana 10-HCC/D3 ny 14 oktobra 2025, izay niantso ity Fiadidiana iombonana ho an’ny fanavaozana tarihin’ny Kolonely Randrianirina Michael. Mariky ny lalantsaina fa handray ny andraikitra ho an’ny Firenena ao anatin’ny fanajana Fanjakana tan-dalàna. Nambara fa mifanaraka amin’izany ny Fiadidiana iombonana ho an’ny fanavaozana. Hanao ny fianinana amin’ny maha Filohan’ny « Refondation de la République de Madagascar » azy ny Kolonely Randrianirina Michael rahampitso 17 oktobra 2025, araka ny voafaritry ny andininy faha-48 amin’ny lalàmpanorenana. Lanonana ara-pitsarana izay hotarihin’ireo mpikamban’ny HCC etsy amin’ny Lapan’Ambohidahy. Mazava ho azy fa ao anatin’ny fanarahana ny lalàna tanteraka ny fandraisany fahefana, rehefa nantsoin’ny vahoaka handray andraikitra ho an’ny Firenena, ary niangavian’ny HCC handray ny fahefana taorian’ny fahabangan’ny Filoham-pirenena teo aloha. Izy izay nanamafy omaly, fa ny HCC no nanapa-kevitra ka manan-kery ny didy, ary raisina ny andraikitra araka ny antson’ny vahoaka satria « potiky ny fanitsakitsahana misesisesy ny lalàmpanorenena, ny tsy fanajana ny zon’olombelona, ary ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena ny firenena, ka miteraka fahasimban’ny toekarena, antony nahatonga ny fitsanganan’ny tanora narahin’ny vahoaka manontolo manerana ny Nosy ». Fomba fanao aoriana fiovana fitondrana ny fianianana, na mety samihafa aza ny dingana nahatongavana teo amin’ny fahefana. Ny taona 2002, taorian’ny tolom-bahoaka nialohavana fifidianana filoham-pirenena, dia nanao fianianana ho filoham-pirenena ny 22 febroary 2002, saingy mbola nisy indray avy eo ny fianianana nanamafisana izany ny 06 mey 2002 nanamafy fa tena izy no Filoham-pirenena voafidim-bahoaka. Rehefa nanongam-panjakana i Andry Rajoelina ny 2009, voatery namindra ny fahefana tamin’ny tafika ny Filoha tamin’izany Marc Ravalomanana noho ny tsindry sy fanenjehana politika ka tsy nahafahan’ny filohan’ny antenimierandoholona nandray fahefana, dia ny miaramila indray no namindra fahefana tamin’i Andry Rajoelina, izay ny Filoham-panjakana teo aloha Norbert Lala Ratsirahonana no isan’ny niketrika ny pitsopitsony tamin’izany fotoana. Ny mahasamihafa azy, nalaza tamin’izany ny tsindry natao tamin’ireo mpitsara, izay nisy fampiasana basy. Tamin’ity kosa, nandeha tamin’ny dingana voafaritry ny lalàna satria ny Antenimierampirenena no nanongana an’i Andry Rajoelina, araka ny andininy faha-131 amin’ny lalàmpanorenana, voahaja ny fepetra fa ny 2/3 amin’ny mpikambana no mandany ny fanonganana satria raha 105 no ilaina dia 130 no nanao « eny ». Nijery ny fomba tsy hisiana fahabangana ara-pitantanana teto amin’ny Firenena ny HCC, rehefa nitsimbadika ny rasa, ka niditra tamin’ny fiangaviana ny miaramila izay nomen’ny vahoaka fitokisana hitantana ny Firenena, rehefa banga ny filohan’ny antenimierandoholona izay mandray ny toerana raha ny andininy faha-52 amin’ny lalàmpanorenena

IZA MOA I KOLONELY MICHAEL
Filoham-panjakana faha-13 hitantana an’i Madagasikara ny Kolonely Randrianirina Michael izay 51 taona amin’izao fotoana izao. Manana fihaviana avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Efa governoran’ny faritra Androy ny 2016-2018, rehefa avy nitantana ny « bataillon d’infanterie » an’i Toliara. Isan’ireo sahy nijoro sy nitsikera mafy ny fitantanan’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina. Nogadraina tany Tsiafahy teo anelanelan’ny novambra 2023 sy febroary 2024, rehefa nolazaina fa niantso fiokoana ara-miaramila nikendrena fanonganam-panjakana. Nohelohina herintaona sazy mihantona rehefa nolazaina ho manohintohina ny filaminana anatin’ny Firenena. Voasokajy ho « Homme fort » eto amin’ny Firenena kosa nanomboka ny 11 oktobra 2025 rehefa nahasahy nijoro nitarika ny miaramila hitodika amin’ny vahoaka, ka nomena fitokisana hitarika ny firenena ao anatin’ny Fiadidiana iombonana ho an’ny fanavaozana.
Toky R