airtel

Actualités

23-janv-2026

Fitaterana, toekarena, fizahantany

Niverina nisokatra ny sidina miaza

Sample post image

an’Antalaha, 10 taona aty aoriana !

23-janv-2026

Niverina nisokatra indray ny seranam-piaramanidina ao Antalaha taorian’ny folo taona mahery tsy nisy sidina ara-dalàna. Ny Filoham-panjakana, Kolonely Michaël Randrianirina, no nisantatra ny sidina voalohany sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny aérogare vaovao ao amin’ny seranam-piaramanidina Antsirabato ny alakamisy 22 janoary. Heverina ho tetikasa stratejika ho an’ny fampandrosoana ny faritra SAVA izany. Nampahatsiahy tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny ADEMA, Andrianaina Jean Germain, fa efa folo taona mahery no tsy nisy sidina niazo an’Antalaha. Noho ny fanohanan’ny Fanjakana sy ny fandraisana andraikitra manokana nataon’ny Filohan’ny Refondation dia tafajoro ny aérogare vaovao manana velarana 875 m², ahitana ny trano lehibe sy ny tilikambo fanaraha-maso. Manome toerana mifanaraka amin’ny fepetra ho an’ny fidirana, ny fivoahana ary ny fikarakarana ny mpandeha izany, ka manaraka ny fenitra maoderina momba ny fiarovana sy ny fampiononana. Nanasongadina ny lanjan’ity tetikasa ity ho an’ny toekarena eo an-toerana sy ny firaisankina nasionaly ny Filoham-panjakana. Ny fisian’ity aérogare maoderina ity dia fitaovana lehibe hanentanana ny fizahantany, hanamorana ny fitaterana entana ary hanohanana ny asa ara-toekarena eo an-toerana, indrindra ny vanila, ny jono ary ny fambolena izay sehatra fototra ho an’ny toekarenan’ny faritra SAVA. Manamarika ny fanombohan’ny fandaharan’asa nasionaly hanamafisana ny fifandraisana an’habakabaka anatiny ny sidina voalohany amin’ny zotra Atsinanana–Avaratra tanterahin’ny Madagascar Airlines miaraka amin’ny fanohanan’ny Fanjakana. Ilaina, hoy ny Filoha, ny fananganana an’Antalaha ho ivon-toerana ara-paritra afaka mandray sidina iraisam-pirenena sy manamora ny fanondranana mivantana ny vokatra eo an-toerana. Tanjona ihany koa ny hisarihana mpizahatany vahiny, izay heverina ho paikady stratejika hampidirana maharitra ny tanàna ao anatin’ny tambajotra ara-toekarena nasionaly sy iraisam-pirenena. Ankoatra izany, nambara ny fanokafana tendro ao Antalaha ho an’ny « École Nationale d’Enseignement de l’Aéronautique et de la Météorologie » (ENEAM). Mikendry ny hanofana ny tanora Malagasy amin’ny asa mifandraika amin’ny fiaramanidina izany ary hanamora ny fidirany amin’ny asa, ka manamafy ny fampiasam-bola amin’ny harena maha olombelona sy ny hoavin’ny tanora. Namafisin’ny Filoham-panakana sy ny governemanta ny finiavany hanangana fitaterana an’habakabaka azo idirana, mirindra ary mitovy lenta, ho moteran’ny fampandrosoana ara-paritra sy firaisankina nasionaly.
Toky R


 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap