ampahafantarina ny vola aloa,…
Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Fitsarana Tampony na Cour Suprême Anosy omaly 01 oktobra 2026 ireo boky torolalana sy fitaovana vaovao miisa 11 natao hanavaozana sy hanatsarana ny tolotra ara-pitsarana eny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany (TPI). Tohanan’ny PNUD amin’ny alalan’ny « Pilier État de droit » ity tetikasa ity, izay mikendry ny hampifanaraka ny fomba fiasa amin’ireo fitsarana manerana ny Nosy ary hanamora ny fifandraisan’ny olom-pirenena amin’ny raharaham-pitsarana. Anisan’ireo fitaovana napetraka ny « Standards de Service », ny boky fitantanana ny vola sy ny sara ara-dalàna eny amin’ny greffe ary ireo « contrats d’objectifs ». Natao hanazavana mazava ny dingana, ny fe-potoana ary ny sara ara-dalàna ampiharina amin’ny raharaham-pitsarana izy ireo. Hapetraka eny amin’ny toeram-pitsarana ireo peta-drindrina sy fampahafantarana isan-karazany mba hahafahan’ny mpampiasa mahafantatra mialoha ny zony sy ny fomba fiasa arahina. Tanjona ny hampihenana ny tsy fitovian’ny fomba fanao eo amin’ireo rafi-pitsarana samihafa, hanamafisana ny mangarahara ary hisorohana ny fandoavam-bola tsy ara-dalàna. Natao nandritra ny lanonana ihany koa ny fanaovan-tsonia ireo « contrats d’objectifs », izay mampitombo ny andraikitry ny tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ireo fenitra vaovao eny amin’ny fitsarana iadidiany. Nanazava ny Minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, fa raha ny fehezan-dalàna momba ny fomba fitsarana sivily sy famaizana no tena nampiasaina hatramin’izay, dia hisy kosa ankehitriny ireo boky torolalana manazava amin’ny antsipirihany ny andraikitry ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha, sady hampahafantatra bebe kokoa ny vahoaka ny fomba fiasa eny amin’ny fitsarana. Ao anatin’ny politikam-pitsarana manakaiky vahoaka izany, ka hisy ny famoahana ampahibemaso ny sara aloa sy ny fe-potoana hahavitana raharaha. Voalaza ohatra fa tsy tokony hihoatra ny 48 ora ny fikirakirana raharaha « opposition ». Notsindriana ihany koa ny fanohizana ny « numérisation » sy ny « digitalisation» eny anivon’ny fitsarana, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, mba hampihenana ny antontan-taratasy karakaraina sy hanafainganana ny asa. Efa nisy ny fampitaovana loharanon-jiro dia milina sy fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ireo rafi-pitsarana manerana ny Nosy, fampitaovana informatika, ary efa nangatahana ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2027 ihany koa ny fampitomboana ny famatsiam-bola sy ny fanomezana fitaovana vaovao, anisan’izany ny fiara fiasana,…
Toky R