airtel

Actualités

18-mars-2026

Fivoahan’ny mpiasam-panjakana

any ivelany Najanona ny fakana

Sample post image

alalana amin’ny Praiminisitra

18-mars-2026

Namoaka toromarika vaovao manan-danja izay manaisotra ireo fepetra manokana napetraka tamin’ny 21 oktobra 2025 Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiaina Jeannot Ruffin mikasika ny fitantanana ny raharaham-panjakana, indrindra amin’ny lafiny fivoahan’ny mpiasam-panjakana sy ny fitantanana ny vola ao amin’ny andrim-panjakana. Araka ny toromarika n°025-PM/26 nivoaka omaly 17 martsa 2026, ny fivoahan’ny mpiasam-panjakana any ivelany dia tsy mila alalana avy amin’ny Praiminisitra intsony fa hiverina amin’ny fomba mahazatra amin’ny alalan’ny “ordre de mission”. Toy izany koa, ny fandaniana ara-bola ao amin’ny ministera sy ny andrim-panjakana dia azo tanterahina mivantana araka ny lalàna efa misy, tsy mila fangatahana fanokafana kaonty intsony amin’ny Sekretaria Jeneralin’ny Governemanta. Na izany aza, mijanona ho manan-kery ny fandraràna mivoaka ny firenena izay navoakan’ny Ministeran’ny Atitany. Ny fanapahan-kevitra dia mikendry ny hanamaivana ny sakana ara-biraom-panjakana sy hampitombo ny fahombiazan’ny rafitra, ary manamafy ny fitakiana ny Praiminisitra amin’ny fanatanterahana hentitra sy ny fampielezana malalaka ny toromarika vaovao amin’ny sampan-draharaha rehetra. Ity hetsika ity dia heverina ho famerenana amin’ny laoniny ny fahamoran’ny fitantanana sy fanamafisana ny fahatokisan’ny mpiasam-panjakana amin’ny rafitra, sady mitazona ny fepetra fiarovana sy fanaraha-maso ilaina. Na izany aza, irariana ny tsy hisian’ny gaboraraka !
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap