SADC, izay kasaina hatao amin'ny 17 aogositra ho avy izao any Antananarivo, hoy ny seraseram-panjakana. Omaly talata 17 jona no natao ny fivorian'ny Vaomiera misahana ny Fitaterana, iray amin'ireo vaomiera fototra amin'ny fandaminana ny Vovonana. Ity fivoriana ity dia notarihin’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Metereolojia, Atoa Ramonjavelo Valery, izay lohalaharana amin’ity Vaomiera ity, niaraka tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa Rasata Rafaravavitafika. Tanjona ny hijery ny fivoaran’ny asa, handrindra ireo dingana manaraka, ary hiantoka ny fandaminana mahomby amin’ny fandraisana ireo delegasiona isam-paritra, raha ny tatitra hatrany. Misy vaomiera samihafa izay nolazaina fa mivory matetika : lafiny fandaminana, arofenitra, fiarovana, fitaterana, fifandraisana, fahasalamana, sns… Milaza ny mpitondra, fa Madagasikara dia mirehareha amin’ny fandraisana an’ity fihaonambe isam-paritra ity ary mandray ny andraikitra rehetra mba hanolorana Vovonana izay mifanaraka amin’ny andrasan’ny rehetra, amin’ny toe-tsaina feno firaisankina sy fandraisana vahiny. Midika fa manao izay fomba rehetra hanatanterahana ny fivorian’ny SADC eto ny Fanjakana Rajoelina, raha toa ka nandefa taratasy tany amin’ny Sekretera mpanatanterak’io rafitra io ireo Filoham-pirenena roalahy teo aloha dia i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina izay nanatsikafona fa betsaka ny lesoka sy zava-mitranga mifanohitra amin’ny soatoavin’ny SADC mitranga eto, toy ny fanitsakitsahana lalàna, kolikoly, fanohintohinana ny fahalalahana,… ka tokony hahemotra na afindra any an-toeran-kafa izany. Nanangam-bovona andaniny ny Praiminisitra Ntsay Christian izay sahy nilaza fa mamiratra eto Afrika ny haitarika ananan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka tsy zakan’ny sasany. Samy manana ny fijery tokoa angamba fa raha tena namiratra tokoa dia lany ny kandida natolotry ny Fitondrana Rajoelina ho Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina. Ny SADC aza anefa tsy nifidy 100% an’Atoa Richard Randriamandranto izay misy dikany sy lanjany lehibe amin’ny fandraisan’i Andry Rajoelina ny toerana maha filohan’io rafitra io, izay fifandimbiasana na « présidence tournante ». Raha mahomby ny haitarika tsy misy delestazy, tsy misy fihaonamben’ny « bidon jaune » isam-pokontany, tsy miakatra isan’andro ny vidim-piainana sy ny fahantrana,… Ny fisehosehoana amin’ny vahiny hatrany aloha no betsaka mba hanarontsaronana ny tsy fahombiazana!
Toky R
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"