airtel

Actualités

14-août-2025

Fivorian’ny SADC

Gejaina tsy hihetsika ny mpianatry ny oniversite

Sample post image

Tsy azo anaovana na inona na inona amin’ity anio ity eny Ambohintsaina

14-août-2025

izany hoe ny faritry ny oniversiten’Antananarivo, raha ny naoty navoakan’ny fitondràm-panjakàna omaly. Ny fifanakalozan-kevitra voalaza ho an’ny rehetra amin’izao fandraisana ny SADC na seha-barotra aty atsimon’i Afrika, izay atao ao amin’ny Grand Amphi Fac EGS ao Ankatso ihany, mazava ho azy, no mahazo atao eny an-toerana amin’ity anio ity. Voalaza fa na inona na inona hetsika hafa ankoatran’izay dia tsy mahazo atao ho an’ity andron’ny 14 aogositra 2025 ity. Iantefàn’ity naoty avy amin’ny fitondràm-panjakàna amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ity avokoa, raha ny fanamarihana voaray, ireo rantsa-mangaikan’ny oniversiten’Antananarivo rehetra manomboka amin’ny fitantanana ny oniversite ka hatrany amin’ireo fikambanan’ny mpianatra. Ho giazana koa, araka izany, ny anjerimanontolo noho ity fivorian’ny SADC ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap