airtel

Actualités

04-févr-2026

FOLO TAONA NIGADRANA

TSY NOTSARAINA MIHITSY

Sample post image

Maty tany am-ponja i Dada Rakotonatoandro

04-févr-2026

Raim-pianakaviana iray efa nahazo taona no fantatra fa maty tao amin'ny fonjaben'Antanimora ny 31 Janoary teo rehefa nigadra nandritra ny 10 taona tsy nisy fitsaràna. Dada Rakotonatoandro no anarany, tsy nisy fianakaviana fa olona sendra nihantra azy no nikarakara sy nikaroka ka nahafantatra fa avy ao Imerimandroso Ivato ny Renin'Itompokolahy. Naterin'io olona nihantra azy io tany amin'ny fianakaviany ny razana ary alevina anio Alarobia. Fantatra moa fa olona niara-nigadra taminy tamin' ny taona 2020 tao amin'ny fonjaben'Antanimora ihany io nihantra azy io saingy 12 volana taty aoriana izy dia tafavoaka. Miantso ny Ministry ny Fitsaràna ankehitriny MBA hijery ireo olona nigadra an-taonany maro nefa tsy mbola voatsara toa an'Itompokolahy ireo olona nihantra azy. Ho an'i Dada Rakotonatoandro mantsy no nomarihiny mihitsy fa hendrikendrika tamin'ny zavatra tsy nataony akory no nanagadrana azy, izay nihafara tamin'ny famoizany ny ain-dehibeny mihitsy. Mbola betsaka ireo olona migadra fotsiny an-taonany maro tsy voatsara ao Antanimora hoy hatrany ny fanazavany.
Nangonin'i Pati
Légende : Alevina anio eny Imerimandroso Ivato ny razana !
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap