airtel

Actualités

10-nov-2025

Génération elite Atsimondrano

Miantso ny fanjakana hanetsika

Sample post image

ny IGE hanao ny fanaraha-maso

10-nov-2025

Mitohy ny hetsiky ny Génération élite Atsimondrano. Taorian'ny nitetezan'izy ireo ireo kaominîna teny Atsimondrano toy ny teny Anosizato sy Andoharanofotsy ary Soavina izay tombanany ho misy fitantanana tsy mangarahara sy gaboraraka.dia hiditra amin'ny resaka ara-taratasy indray izy ireo amin'ity herinandro vaovao ity. Nambaran'Atoa Ndriana Begalona, izay mpitarika azy ireo fa na dia nisy noratrain'ireo ekipan'ny Ben'ny tanana aza ny naman'izy ireo nitaky ny fialan'ny Ben'ny tanàna dia tsy hihemotra izy ireo. Iray no naratra mafy ka voatery naiditra hopitaly teny amin'ny HJRA Ampefiloha teny Andoharanofotsy afak'omaly sabotsy 08 novambra. Iray ihany koa no naratra teny Anosizato teny rehefa nifanandrina tamin'ny ekipan'ny Ben'ny tanàna am-perin'asa. Miantso ny fitondram-panjakana mba hanome taratasy fanomezan-dalana ny IGE na Inspection Générale de l’Etat hiasa sy hanao izany iraka izany izy ireo hahafahany midina eny anivon'ny kaominîna hanao Audit. Tsy azo ekena intsony hoy izy ireo ny gaboraraka eny anivon'ny kaominîna sy ny Fokontany, indrindra fa ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka.
Pati
Legende : Ry Generation élite Atsimondrano
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap