airtel

Actualités

06-févr-2025

Geneviève Ramakavelo

«Ireo tany Genève izany mahita izao dia ahoana no fipetrany?»

Sample post image

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

06-févr-2025

hoy ny mpanabe sy mpampianatra mpikaroka, Geneviève Ramakavelo, naneho ny heviny mikasika ny fisamborana ireo sendikalista misehatra amin’ny fampianarana sy fanabeazana teny Anosy farany teo. Maha mpikambana anaty sendikà no nijoroany teny amin’io ilazàny ny marary azy, hoy izy. Amin’ny maha ao anatin’ny vondrona Vonjeo ny fampianarana anay dia hoy izahay hoe isan’ny tokony ho jerena manokana izany hasina maha mpampianatra izany. Ampy ho an’ireo tokoa ve ny karamany mihoatra amin’ny zava-misy ankehitriny? Na tsy atao hoe mihoatra amin’ny zava-misy ankehitriny aza fa hatramin’izay dia notsinontsiniavina mihitsy ny mpampianatra nefa ianareo rehetra ireo dia nandalo teo ambany mason’ny mpampianatra daholo. Tsy asiana hasiny ilay mpampianatra. Raha sahy ny fitondràm-panjakàna dia avoahay kely ny mari-karama na «grille indiciaire» an’ny mpampianatra dia avoahay ny an’ny sasany rehetra ahitan’ny olona hoe tena tsy rariny tokoa ny manjo ny mpampianatra. Ilay hoe nitondràna ny iray amin’ireo mpanabe ireo any amin’ny faritra fa nisy olona nitory, oviana ilay fitoriana dia maninona no izao vao mitranga izany zavatra izany? Mijoro amin’ny maha sendikalista azy aty aoriana izy vao hapetraka hoe nisy fitoriana tahaka izao mikasika azy. Manan-jo hijoro sy hilaza ny zavatra heveriny hampety ny ao amin’ny toeram-piasany ny sendikalista. Asa hoe ireo niatrika fanadinana sy voatsikera tany Genève ve izany mahita izao zava-misy izao dia ahoana no fipetrany? Fantany ve hoe tsy rariny izao? Raha nandeha tany izy dia nandray izay voalazan’ny olona fotsiny sa nitatitra ny zava-misy eto fotsiny? Ny zavatra tenenina eto izany ny antsika ohatran’ny tsy misy fiantraikany. Ireny avy any Genève ireny izao tokony hitatitra hoe tokony izao no zon’ireo sendikalista ireo, tsy tokony atao an’izao izy, tokony omena an’izao kanefa ireo avy any tsy miteny. Mitatitra teny fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap